« Naneho ny fahendreny sy ny fahasahiany ny CENI raha namoaka ny voka-pifidianana feno tsy ofisialy », hoy i Fidele Razara Pierre, kandidà TIM nirotsaka tany Ambatondrazaka.
Nahafa-po ny fomba fiasany tamin’ity indray mitoraka ity ity satria nahasahy nilaza ireo tsy fetezana rehetra. Azo heverina fa hitondra fiovana amin’ny vokatra ofisialy izany satria raha ny kandida matetika no mitondra fitarainana na fitoriana dia voalaza fa ireo tsy mahazaka resy no mitady fanaratsiana ity rafitra ity. Tapitra ny fahefan`ny CENI amin`ny fikirakirana ny voka-pifidianana ka ny HCC no hamaritra ny fanafoanana ny ampahany na manontolo ireo izay nahitana hosoka sy tsy fahatomombanana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.