Politique

Fibodoana fahefana 2023 Tena efa mandeha ny don-tandroka


  • Alarobia 27 Jolay 2022

Miha sarotra ny toe-draharaham-pirenena, saingy tsy arakaraka izay ny fihetsiky ny fitondram-panjakana. Tsy manaiky ho diso, tsy mety miova famindra, mbola manao izay saim-patany.

Manomboka miditra lalina amin’ny fandrangarangana hery, izay midika fa mbola ho ambony lavitra noho ireny ny niseho tamin’ny sabotsy ireny ny mety hitranga mialoha na mandritra na na aorian’ny fifidianana, raha tsy misy fitsipi-dalao ara-demokratika mipetraka mialoha. Efa mazava fa hanao ny fomba rehetra hitazonana io fahefana io ny Fitondrana Rajoelina, ary sanatrian’ny vava toa efa vonona amin’ny fampiasan-kery sy fandatsahan-dra raha tarafina amin’ireny fandrangarangana hery tamin’ny sabotsy teo ireny. Miharihary ny fandikana lalàmpanorenana, fanitsakitsahana ny demokrasia, fanodinkodinam-bolam-panjakana sy harem-pirenena, kolikoly avo lenta,… Manaratsy endrika sy tsy mampipetraka intsony ny hasin’ny fanjakana sy ny fahefam-panjakana, saingy tsy mampihetsi-bolomaso ny mpitondra. Izay fahoriam-bahoaka any toa tsotsorina amin’ny fandrirarirana sy fampanantenana lava. Ny mpanohitra izay mianakendry mamory vahoaka, rahonana hosamborina sy hogadraina, ahetsika hatao fitaovana ny mpitandro ny filaminana, efa fanakiviana sy don-tandroka amin’ny ho avy. Raha hiverenana ny 2009, isan’ny ny filazana ny Filoha tamin’izany ho mpanao didy jadona, mpanao ampihimamba,... no isan’ny natao fitaovana saingy tsy misy tsy miseho izany ankehitriny. Mbola miampy afera maloto amin’ny endriny maro ao anaty Fanjakana. Tao anatin’ny krizy iraisam-pirenena ny taona 2008, saingy ny orinasa isan’ny afaka nampihena ny fahasahiranam-bahoaka tamin’izany saingy ny orinasa isan’ny nahafahana nifehy ny fanararaotana amin’ny vidim-piainana indray aza no notondroina ho nanao ampihimamba, nodorana avy eo,... Izao eo amin’ny fitondrana tsy hita izay afitsoka, jerem-potsiny ny fahoriam-bahoaka, ary izay sahy mijoro haneho fa tsy zaka sy tsy azo ekena intsony izao, dia efa manangasanga any ny hery famoretana. ENCADRE Toa efa misy endrika: “Etat policier” ka toa tsy te hahalala afatsy ny fiarovan-tseza sy fahefana ary hanao izay hibodoana izany faran’izay heriny. Mbola haverina foana ny nambaran’ny mpanao politika anankiray fa “tsy ao anaty voambolan’ny mpitondra efa nanongam-panjakana izany demokrasia sy tany tan-dalàna izany, fa izay hampaharitra indrindra ny fitazonana ny fahefana no ambony indrindra ho azy”. Efa tandindon’ny toe-javatra mety hiseho amin’ny 2023 ny zava-misy ankehitriny ?

Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT