Ny vehivavy no anisan’ny fototra iray hahafahana mampandroso ny firenena. Tsy misy lehilahy tafavoaka sy mijoro raha tsy tohanana vehivavy na eo amin’ny fitantanana ny tokantrano
izany na amin’ny asa aman-draharaha maro isan-tsokajiny. Manoloana io tranga io dia nanatanteraka fihaonana tamin’ireo tompon’andraikitry ny CENI, ny OIF… tetsy amin’ny hotel Colbert Antaninarenina omaly ny tetikasa PADEM. Tetikasa iray anisan’ny manohana sy manampy ny vehivavy izy ity ka anisan’ny tanjony ny hampandray andraikitra ireto farany amin’ny fampandrosoana ny firenena. Raha araka ny fanazavan-dRtoa Nathalie Razafindehibe anisan’ireo vehivavy mandray anjara amina fikambanana maro eto amintsika amin’ny fampandrosoana ny firenena dia tena mahavita azy ny vehivavy ka mendrika hotohanana. Toraka izany koa ny tanora hoy izy, antony manosika ny tetikasa PADEM hiantso azy ireo sahady mba handray anjara mavitrika amin’ny fifidianana filoham-pirenena hotanterahina amin’ny taona 2023 ho avy io. Notsindriany manokana fa izao dia efa mila miomana ny tsirairay fa tsy hiandry amin’ny taona 2023 vao hihazakazaka. Nomarihiny anefa na izany aza fa tsy hiady ny toeran’ny lehilahy velively ny vehivavy saingy mahatsapa tena ho manana andraikitra amin’ny fampandrosoana ny firenena kosa izy ireny.
Pati
Legende : Ramatoa Nathalie Razafindehibe, anisan’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny PADEM
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.