Politique

Fiatrehana ny fifidianana ben`ny tanàna Maro ny zavatra mila alamina


  • Alakamisy 04 Jolay 2019

Miisa 1695 ireo kaominina maneran ny nosy, noho izany ben`ny tanàna 1695 no hofidiana miampy mpanolotsaina kaominaly izay samy manana ny isany arakaraka ny isan`ny mponina ao amin`ny kaominina iray.

 

 

Mila hahitsy avokoa ireo lesoka rehetra nisy tamin`ireo fifidianana nifanesy teto amin`ny firenena toy ny lisi-pifidianana, fitanilana nataon`ny mpikambana ao anatin`ireo birao fandatsaham-bato … Fantatra fa fifidianana roa no atao ao anaty biraom-pifidianana iray, saingy tsy misy fiovana ny isan`ireo mpikambana ao anatiny. Tokony hohamafisana ny fampiofanana omena an`ireo mpikambana ao anatin`ireo birao fandatsaham-bato hisorohana ny tandrevaka. Ny CENI aza niaiky ny fitanilana nataon`ny mpikambana ao anatin`ireo birao fandatsaham-bato sasany tamin`ny fifidianana solombavambahoaka farany teo. Raha mitombina ny tsy fanarahan-dalàna dia mila raisina ny fepetra na ara-pitondrana na  ara-panjakana na fanasaziana araka ny lalàna ary harahina eo anivon`ny Fitsarana. Marihina fa hiantohan`ny fanjakana Malagasy tanteraka ny vola lany rehetra amin`ny fifidianana fa tsy hisy fanampiana avy any ivelany na fikitihana ny kitapom-bolan`ny SACEM izay tantanan`ny Vondrona iraisam-pirenena. Tsy mbola voafaritra ny tetibola kanefa efa natolotra tany amin`ny governemanta ny 24 jona lasa teo ny volavolana tetibola hanatontosana ity fifidianana ity.

Marigny A

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT