Politique

Fiatrehana ny 2023 Manomboka ny tombatombana isan-karazany


  • Alatsinainy 22 Novambra 2021

Raha i Botozaza Pierrot no natolotry ny filoha Ravalomanana tamin'ny taona 2013 dia tsy lany izany Rajaonarimampianina izany, hoy ny fanehoan-kevitra iray tao anaty tambazotran-tserasera tao.

 Niverina mora teto Madagasikara izy, niroborobo ny orinasany, tsy hamadika azy i Botozaza, hoy izy. Jereo fa ny “Côtier” tsy mba mamadika izany rehefa omena fahatokisana. I Rajao namadika an'i Rajoelina. I Jean Louis Robinson namadika an'i Ravalomanana. Raha mahay maka lesona i Ravalomanana dia tsy tokony milatsaka fa manolotra kandida “côtier”. Mino aho fa “premier tour dia vita” amin'ny 2023, hoy hatrany ity fanehoan-kevitra ity. Ankoatran’ireo antoko politika izay manomboka mampahatsiahy na mampiseho ny vinam-piarahamoniny isintonany ny sain’ny vahoaka Malagasy hibanjina ny fiatrehana ny fifidianana ho filoham-pirenena amin’ny taona 2023, araka izany, dia hita ho manomboka manombana izay heveriny ho faniriany amin’izany taona 2023 izany ny mpanara-baovao. Ankoatran’izy ireo sy ireo antoko politika toy ny MONIMA, AREMA, TIM, TGV sy ny hafa rehetra koa anefa dia hita ho efa misarika ny sain’ny maro sahady mba hifantoka amin’izany koa ireo sehatra tsy miankina toy ireo kandida nolavina tamin’izany taona 2013 izany, Isaac Ramamonjisoa, sy ny filohan’ny firaisambe afrikanin’ny taranja Judo, Siteny Andrianasoloniaiko, ohatra, na dia nilaza aza hatreto ity farany fa ankinina amin’Andriamanitra ny hoavy.
J. Mirija
Legende: Ela tsy nahitana sy tsy nahenoana izany Botozaza Pierrot izany
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT