Hanatanteraka hetsika izay handaminana ny fifidianana loholona ny mpitandro
filaminana izay ahitana ny Tafika Malagasy, ny Polisim-pirenena ary ny Zandarimariam-pirenena. Efa misy ny fepetra raisina amin` izany fiatrehana izany fifidianana izany. “Efa nisy ny hetsika natao mialohan` ny fifidianana, mandritra ny fifidianana ary aorian` ny fifidianana izay efa samy voafaritra avokoa. Any anivon` ireo faritra sy distrika ihany koa dia efa samy nahazo izay baiko mitandrify azy mandritra ireo fotoana telo voalaza ireo” hoy ny kaomandin'ny zandarimariam-pirenena, ny jeneraly Njato Andrianjanaka. Miantso ireo mpifidy vaventy mba ho tony, hatrany izy. “Raha misy zavatra mampiahiahy na ihany koa fampitahorana voarain`ny mpifidy dia mba hanatona haingana mpitandro filaminana hahafahana mandray ireo fepetra ho raisina mahakasika izany. Zava-dehibe mba hahafahan` ireo mpifidy vaventy hanatontosa ny adidy araka ny tokony ho izy ary tsy anatin` ny teritery. Notsipihany ny jeneraly Njato Andrianjanaka hatrany fa misy ihany ireo te hanao ireo hevitra rehetra tsy hanatanterahina izany fifidianana izany saingy tsy ho ekena velively izany. “Ny fanehoan-kevitra dia malalaka satria tany demokratika. Hisarika ny sain` ireo izay manana eritreritra mba hambolena korontana eto amin`ny tany sy ny firenena fa dia tsy handefitra izahay ary handray fepetra”.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.