“Izahay solombavambahoaka olon-kendry ary ireo misy betsaka, na ny
firaisamonim-pirenena dia fantatray fa tsy mazoto ny hisitrahan’ny solombavambahoaka an’izany fitaovana izany. Misy mamaly ny depiote hoe manainga anareo mba hanao “tournée” miaraka aminay dia ho hitanareo ny filanay izany fitaovana izany hanefanay ny asanay. Izahay dia milaza fa izahay dia olon-kendry, ka miandry am-pitoniana rehefa tenenin’ny Raiamandreny lehibe hoe: tsy atao ambanin-javatra ny fitaovana” , hoy ny Filohan’ny antenimieram-pirenena Christine Razanamahasoa ny zoma lasa teo. Midika io fa nisy ny fanomezan-toky natao ireo solombavambahoaka ny mba hisitrahan’izy ireo fiara tsy mataho-dàlana. Isaky ny famaranana ny fivoriana, dia miverina hatrany io resaka io izay na anontanian’ny mpanao gazety na ny andrim-panjakana mihitsy no mamoha azy. Ny 03 oktobra fiafaran’ny fivoriana tsy ara-potoana tamin’izany, dia efa naneho tao anatin’ny kabary famaranana ny Filohan’ny antenimieram-pirenena izay nampahatsiahy ny Filoha sy ny Praiminisitra, fa ny fitia mivaly fitia,… aza adino ny fitaovana ho an’ny solombavambahoaka.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.