Miantso ny loholona mba hikatroka amin’ny fandinihana ny volavolan-dalàna
momba ny tetibolam-panjakana, na dia voahilikilika eo amin’ny lafiny ara-bola aza ny fiarahamonim-pirenena SAFIDY. “Na dia toa misy aza ny mety ho sakantsakana ara-bola mihatra amin’ny Antenimieran-doholona ankehitriny izay tsy rariny ary raisinay ho toy ny fanelingelenana ny fampandehanana sy fampanjariana ny demokrasia, dia miantso ireo Loholona izahay mba handinika an’io PLFI 2021 io ary ihany koa ireo volavola na tolo-dalàna izay handalo eo aminy, mba hanehoany amin’ny firenena iray manontolo fa ny tombontsoan’ny vahoaka no laharam-pahamehana amin’izy ireo, na inona na inona sakana atrehiny” hoy hatrany ny fanambarana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.