Nanao antso avo amin’ny vahoaka hilamina sy amin’ny manampahefana ary ny rafitra ara-pifidianana mba hanaja ny tsy fitanilàna ny sabotsy teo ny ivontoerana Safidy izay sehatra iray anaraha-maso ny fifidianana eto amintsika.
Ny filaminana tsikaritra nandritra latsa-bato ny 27 mey 2019 sy ny ampitso dia nanjary nodimbiasan’ny tranga mifono herisetra nanomboka ny 29 mey, taorian’ny nivoahan’ny voka-pifidianana vonjimaika, hoy izy ireo. Distrika maromaro toa an’Ambositra, Bealalana, Bekily, Marovoay, Ihosy, Belo Tsiribihina, Maroantsetra, Sakaraha, Mahabo, Antananarivo Atsimondrano no nisehoan’izany. Fomba fanoherana isan-karazany no nisehoan’izany toy ny fandoroana birao SRMV, « cocktail molotov », eny amin’ny Facebook, fidinana an-dalambe miaraka amin’ny « sorabaventy ». Hitanay ho fiarovan’ny vahoaka ny safidiny anefa, hoy ity sehatra ity, no anton’ireo fihetsika rehetra ireo saingy miantso ny rehetra tsy handao ny fanarahan-dalàna ny Safidy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.