Politique

Fiarahamonim-pirenena Manahy ny faharavan’ny fitokisam-bahoaka


  • Zoma 21 Aogositra 2020

Nampahatsiahy tamin’ny alalan’ny fanambarana niraisan’izy ireo omaly ny avy eo anivon’ny firaisa-monim-pirenena fa tsy nitsahatra nitaky ny mangarahara hatramin’ny niandohan’ny fitantanana izao ahamehana ara-pahasalamana izao.

 

 

 

 Ampiharo ny fangaraharahana sy ny fanjakana tsara tantana dieny mbola tsy rava tanteraka ny fitokisan’ny olom-pirenena, hoy izy ireo. Misy ny tatitra efa nataon’ny teo anivon’ny minisiteran’ny toekarena sy ny tetibola na MEF kanefa fitanisana fotsiny momba ny antontan'isa sy ny mpamatsy vola nanampy. Tsy misy antsipirihany momba ny nampiasana azy ary tokony atao haingana ireo tatitra ireo fa tsy miandry ela. Momba ireo tsy maty manota eto amin’ny firenena kosa dia nanambara izy ireo fa rehefa mahazo dosie avy amin'ny BIANCO ny PAC, dia tonga dia manao ny asany ny PAC mitsara. Dia hitantsika ny vokany; sazy na tsia. Ny fitsarana avo na HCJ indray izay mitsara ny tompon'andraikitra lehibe , ela be ny fiasany. Ny dingana mavesatra be, tsy maintsy mandalo fankatoavan'ny 2/3n’ireo depiote. Fitsarana politika ny HCJ. Miisa 14 ny dosie ao, dia mbola miandry. Mahita izahay fa mbola tsy voavaha foana ny olana momba ny tsimatimanota eto amin'ny firenena, hoy hatrany izy ireo. Hita ho manahy ny faharavan’ny fitokisam-bahoaka amin’ireo mpitondra noho izany ny fiarahamonim-pirenena.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT