Politique

Fiarahamiasa Mifamatotra ara-tafika i Rosia sy Madagasikara


  • Alatsinainy 04 Aprily 2022

Mifamatotra ara-tafika I Madagasikara sy Rosia, raha ny voalazan’ny gazety vahiny iray nivoaka ny faran’ny herinandro teo. Nosoniavina ny 18 janoary ny fifanarahana ary nanomboka ny 25 martsa,

 izay maharitra 5 taona ary fanitarana mandeha ho azy raha tsy misy ny fanoheran’ny andaniny sy ny ankilany. Nanao sonia fifanarahana fiaraha-miasa mandritry ny 5 taona i Rosia sy Madagasikara mikasika ny mety hanitarana izany fiaraha-miasa izany ara-tafika sy ara-tekinika, izay ahitana ireo fitaovam-piadiana, ny fanofanana miaramila ary fikojakojana fitaovana, io no antontan-taratasy nivoaka tao amin’ny tranokalan’ny governemanta rosiana ny zoma teo. Tafiditra ao anatin’ny fiaraha-miasa ara-tafika Rosia-Madagasikara ny “famatsiana fitaovam-piadiana, sy izay mahakasika ny miaramila hafa..., fampiroboroboana ny fiaraha-miasa amin’ny fampandrosoana ny miaramila..., fanomezana fanampiana ara-miaramila sy ara-tekinika”. Araka ny voalazan'ny fifanarahana dia tsy mahazo mivarotra ny fitaovam-piadiana sy ny antontan-taratasy ara-tekinika ao anatin'ny fifanarahana amin'ny firenena hafa sy ny fikambanana iraisam-pirenena i Rosia sy i Madagasikara raha tsy mahazo alalana avy amin'ireo mpanao sonia roa tonta mihitsy. Ankoatran'izay, ny tsirairay dia manana zo hanara-maso ny fampiasana araka ny tokony ho izy ny fitaovana sasany aorian'ny fanaterana azy ireo, hoy hatrany ity fampitam-baovao ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT