Politique

Fiaraha-mitantana ny Nosy Eparsa Fa inona marina moa ilay fifanarahana ?


  • Talata 11 Jona 2019

Araka ny fanambaran’ny firenena mikambana tamin’ny taona 1979, hoy ny mpahay lalàna iraisam-pirenena, Arlette Ramaroson, sady mpitarika ny fikambanana nosy Malagasy dia hoe an’ny Malagasy ireo nosy manodidina antsika na ireo nosy eparsa ireo ary izy ireo no efa niteny

 

 

hoe raiso ny taninareo. Tsy anjarantsika no mitonantonana any Frantsa hangataka fiaraha-mitantana fa havendranana izany, hoy hatrany izy. Ho an’ny sekretera jeneralin’ny antoko vahoaka Miray na VAMI, Gaby Vakiniadiana, kosa dia tsy nisy nataon’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, tany Frantsa farany teo ankoatry ny nanao tatitra na “rapport” tamin’ny frantsay reny malala. Satria vita ny fifidianana dia mila taterina any hoe nahazo toerana miisa 80 izahay, hoy izy, na dia tsy mbola namoaka izany aza ny HCC sy CENI. Izany resaka nosy eparsa iaraha-mitantana izany kosa dia tsy misy maha samy hafa azy amin’ny efa nisy teo aloha satria tsy fantatra akory ny anjarantsika ao anatiny. Antsika koa ny tany no nambaran’ny firenena mikambana, hoy hatrany izy, fa tsy hitambarana. Famadihan-tanindrazana moa no andraisanay antoko Teza iny fifanarahan’ny filoham-pirenena tamin’ny frantsay iny, hoy ny filohany, Jean Louis Rakotoamboa.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT