Notsiahivin’i Manandafy Rakotonirina fa misy miaramila frantsay manao tantsoroka ara-teknika sy nanome fitaovana eto amintsika.
Ny zava-misy anefa dia misy miaramila gasy mamatsy basy sy bala ireo dahalo, ary dia miaramila gasy maro no notsimponin’ireo dahalo ka maty. Manoloana izany ary dia mametra-panontaniana i Manandafy Rakotonirina ny amin’ny nilana ny fanampiana ara-teknika avy amin’i Frantsa kanefa dia mbola izao no mitranga eto amintsika. Nisy fanonganam-panjakana teto Madagasikara, izay ny teto irery ihany no nisy fanonganam-panjakana nefa tsy nisy naratra na maty, eo koa ny dahalo ary dia ny basy sy balantsika avy any an-dakazerna no ampiasian’ny dahalo, ary dia ireo dahalo ireo no maharesy miaramilam-panjakana. “Atao inona io fiaraha-miasa izay efa am-polony taona maro io”, hoy i Manandafy Rakotonirina.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.