Politique

Fiara-mitantana ny nosy Eparsa Misy misitery


  • Talata 09 Jolay 2019

Efa nanambara ny avy eo anivon’ny firenena mikambana fa mila hajaina ny fiandrianan’ireo firenena voazanaka fahiny efa nomena fahaleovantena.

 

Nifanindran-dalana tamin’izany moa ny lalàna na “loi d’annexion” mikasika an’i Madagasikara ny 6 aogositra 1896 izay nanambarana fa ao amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara ireo nosy manodidina miisa 5 dia i Europa, Bassas Da India, Juan de Nova, Archipelle de Glorieuses ary i Tromelin. Nisy anefa, raha ny fanadihadiana iray, ny didim-pitondrana mandeha ilan’ny frantsay ny 1 aprily 1960 manala ireo nosy ireo amin’ny Malagasy mba hanaovan’ny frantsay andrana nokleary. Ny didim-pitondrana laharana 78-146 ny 3 febroary 1978 kosa no nametrahana izay ho tany manan-tsata ara-toekarena tanteraka na ZEE. Tamin’io taona io ihany dia niverina nangataka ireo nosy manodidina ny filoham-pirenena, Didier Ratsiraka, ary nandidy ny frantsay ny ONU ny taona 1979 mba hitady izay fomba azo hifanarahana hamerenana ireo nosy ireo ho an’ny Malagasy tanteraka. Raha ny fanadihadiana moa dia manelanelana an’i Mozambika, Tanzania, Seisely ary Madagasikara no misy tanin-tsolika harenan’ireo ranomasina atsimon’ireto firenena ireto. Ho an’i Mozambika, ohatra, ao amin’ny faritr’I Cabo Delgado, dia voalaza fa itoerana gazy hatramin’ny 425 miliara m3. Zambeze, ao amin’ny reniranon’i Rovuma, misy 240 miliara m3. Ho an’i Madagasikara kosa, indrindra,  ny tobin-dranon’i Morondava (bassin de Morondava) dia misy tobin-gazy hatramin’ny 167 miliara m3 ary ny 20 miliara m3 amin’izany dia gazy voajanahary sy tsara kalitao. Misy tahirin-tsolitany 17 miliara barila koa toy ny ao Bemolanga izay misy 2 miliara sy Tsimiroro izay 1,7 miliara ary tantanana orinasa vahiny iray mandritry ny 50 taona miaraka amin’ny 150.000 barily isan’andro. Heverina, araka izany, fa anisan’ny azo ilazana ireo fa misy misitery ny fikirizan’ny frantsay hiara-kitantana ireto nosy ireto.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT