Tsy sahin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina avoaka mazava mandrak’androany ny marina momba ireo fiara mifono vy sy fitaovam-piadiana nampidiriny teto Madagasikara, ka naderadera ary natolotra ny mpitandro filaminana tetsy Mahamasina ny 19 janoary 2019.
An-tendromolotra ny resaka fitondrana tsara tantana sy ny mangarahara. Fanomezana sa novidiana ? Inona no tambiny raha fanomezana ? Raha ny lojika, dia mila mikaomandy manokana mialoha mety hatramin’ny telo volana ny fitaovana tahaka ireny, indrindra ny famadihana azy tsy ho laitram-bala. Torak’izany ihany koa ilay fiara raitra marika “Cadillac”, izay re siosio ihany koa fa 3 volana nialoha ny nampidirana azy no efa tonga teto, izany hoe tsy nanomboka akory ny propagadin’ny fifidianana filoha. Tahaka ireo angidimby sy fiaramanidina nampidirina eto, dia tsy any amin’ny fanofana na fifidianana no olana eto fa ny fangaraharana. 15 andro raha antso tolo-bidy eto an-toerana ary 45 andro raha iraisam-pirenena ka voahaja ve ? Atao tahaka izany hatrany ve ny fitantanana ny firenena ? Toa manaporofo ny efa fiomanana tamin’ny ady an-trano sy vono moka teto ny fampidirana fitaovam-piadiana, raha tsy nomena an’i Andry Rajoelina ny fahefana. Mbola olom-pirenena tsotra ny filoha tamin’ireny, saingy nahavita nampiditra fitaovam-piadiana mahery vaika. Mampametra-panontaniana hoe: ao anaty tambajotrana mpanao trafikana fitaovana fitaovam-piadiana ve izany Atoa Andry Rajoelina ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.