Politique

Fiara mifono vy sy basy Izay ve no vahaolana mety indrindra ?


  • Zoma 10 Aprily 2020

Hita fa tsy misangy tokoa ny fanjakana ka namoaka ireo fiara mifono vy amin’izao hamehana ara-pahasalamana eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’I Madagasikara izao.

 

 

 

Mandrangaranga basy an-tanan-dehibe, ary tahaka ny hamehana noho ny tany misy hotakotaka na ady toy ny any Irak na Afghanistan no miseho. Tena mampiseho fa hary fitaovana sy mampiditra an-tsain’ny olona fa mafy ny fitondrana sy ny fahefam-panjakana. Ary mba ahoana ny any amin'ny faritra be malaso sy dahalo amin’izao karazana fampisehoan-kery an-tanàn-dehibe izao? Haharesy lahatra tokoa ny olona hanaja ny fihibohana ve ny fomba fiasa tahaka izao  ? Toa lasa manao fanenjika tahaka ny polisin’ny CUA sy ny mpivarotra amoron-dalana fahizay fotsiny. Azo atao tsara ny manatevina ireo “patrouille emmo-reg” efa natao am-bolana maro dia ireny no mandamina mitety fokontany fa tsy dia voatery arentirenty ny fiara mifono vy be basy. Mifangaro tanteraka ny hamehana ara-pahasalamana sy ny hamehana amin’ny tany misy hotakotako. Ny fandrangarangana fitaovam-pihadiana mitety tanàna izao, dia endrika iray azo hilazana fa malemy ny fahefam-panjakana, tsy to teny amin’ny vahoaka ny mpitondra firenena,… hany ka ny basy aman-tafondro no hoenti-mampanaiky ny rehetra ny zavatra tiana hankatoavina. Mety ho diso ihany koa paikady nampiasaina hatrany am-boalohany, toy ny resaka serasera, hany ka tsy mety tonga saina ny olona. Maro rahateo ny zavatra nifandipatra, toy ny fivoizana tany aloha fa tsy mafy noho ny krizy 2002 io, tsy mafy noho ny pesta sy kôlera,manefy ny sain’ny vahoaka daholo ireny. Mila mandinin-tena tokoa ny fitondram-panjakana hoe: inona no lesoka? Inona no tsy nety ka nahatonga ny olona sanatriavin’ny vava andrasana tahaka ny omby vao mety hanaja sy hanaraka ny lamina. Efa fiarovana ny ainy izao ny fampihibohana azy any an-trano, saingy tsy te hahalala izany ny ankamaroany raha tarafina amin’ny eto Antananarivo. Tena mipaka any amin’ny tsirairay sy voatsinjo ihany koa ve ny rehetra ao anatin’izao satria maro no efa miteny hoe: aleonay matin’aretina, toy izay ho matin’ny hanohanana. Tsy sanatria manome rariny ireny olona ireny, fa tena tokony hojeren’ny fanjakana amin’ny antsipirihany ny zavatra iainana. Misy dikany sy lanjany ara-politika be ny zava-miseho ankehitriny hoe: tsy toa teny amin’ny vahoaka intsony ny filoha sy ny ekipany; fa ny tena zavadoza dia ny hoe : sanatria ve efa tsy misy hasiny amin’ny vahoaka intsony ny rafi-pitantanana misy eto !

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT