Mbola manana 24 ora hitsanganana ny orinasa hamokatra ilay fiara sy moto
mitondra ny marika Malagasy Gasycar, hoy ny vazivazin’ny mpanara-baovao sasany omaly. Ny volana jona teo tao anatin’ny fotoam-pakalazana ny fetim-pirenena no nanambaran’ny filoham-pirenena Malagasy, Andry Rajoelina, fa hamokatra izany isika ary ho atsangana ny orinasa mpamolavola na “usine de montage” aorian’ny famokaran’ireo ozinina mpiara-miombon’antoka alemanina sy sinoa ny endrik’izany voalohany. Hifarana ihany ity ny taona saingy tsy hita popoka izay misy ilay orinasa. Efa nanana ozinina mamokatra fiarakodia isika nandritry ny nanomboka ny taona 1984, izany hoe tao anatin’ny repoblika faharoa, raha hiverenana fohy ny tantara.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.