Ny 24 jona teo no nambara ofisialy ny fivoahan’ny Fiarakodia Malagasy, Gasycar. Rehareha mihitsy tamin’izay fotoana izay ny hoe hanondrana azy io hatrany am-pitan-dranomasina toa an’i Afrika sy Azia.
Ny fampahafantarana tekinika moa dia hoe karazam-piarakodia sokajy fahaefatra izy io. Ady hevitra nipetraka nanomboka teo ny hoe laharam-pahamehana ve izany ao anatin’izao krizy maro sosona izao? Nisy ireo nampahatsiahy ny tantara toy ny hoe karazana fiarakodia roa no vita teto tamin’ny repoblika voalohany nentin’ny filoha Tsiranana. Ny fandrafetana azy no natao teto fa ny kojakoja dia nafarana tany frantsa. Teo ny 2CV, izay mbola misy maro miriaria any. Teo ny 4L nantsoina hoe “Tsitonta”. Mbola misy manana io fiarakodia io eto. Andraharo no nisy ny orinasa nanao azy. Ny repoblika faharoan’ny filoha Ratsiraka dia nanao ny “Karenjy” tany Fianarantsoa. Ny Orinasa Imi na Institut Malagasy d’Inovation no nanao ny fandrafetana ka môtera R18 no nitondra izany. Nisedra olana ny orinasa rehefa niala ity filoha ity, hoy ny mpamakafaka sasany, ka mpivarotra ao Fianarantsoa izay nampiasa ny trano nisy ny “Imi” no nanohy ny asa. Nanamboatra fiarakodia manokana ho an’ny Papa ray masina ity orinasa ity ny taona 1989 sy 2019. Nisy fiarakodia tena vita Malagasy iray antsoina hoe “MAHEFA” teto Antananarivo ny taona 1980 tany ho any. Ho fahatsiarovana tovolahy kely naniry ny fiara vita Malagasy mitondra ny anarana hoe Mahefa no antony nanomezana ny anarany. Efa nahavita fiaramanidina tamin’ny hazo nantsoina hoe “Hitsikitsika” koa isika Malagasy ary nampiasan’ny tafika tamin’ny andron’ny Imi ary nahavita voalohany ny solosaina natsoina hoe “lefona” ny taona 1989, raha tsiahivina ihany koa. Io no voalaza fa solosaina voalohany vita taty afrika. Tsy nisy ny fanohizana ny zava-bitan’ny teo aloha noho ny politika tsy mitovy, hoy ny tsikera novoizina tao anatin’izany fampatsiahivana rehetra izany. Toa adino anefa fa tamin’ny fotoam-pamokarana izany dia tsy niaina tao anatina krizy maro toy izao ny firenena. Tsy mahagaga noho izany, raha zary sary in-dray nipika fotsiny toy ireny makety nampalaza izao fomba fitondrana izao efa hatramin’ny 11 taona lasa koa ity resaka Gasycar ity. Mampanamafy ilay fanontaniana hoe nanaovana fandrendrehana saim-bahoaka na “diversion” nanafenana ny tsy fahatomombanan’ny fitantanana ny hahamehana ara-pahasalamana tokoa ve sa mby aiza ankehitriny ny momba azy ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.