Politique

Fiara 4x4 sy fisotroan-dronono “Rariny” ny fitakianay, hoy ireo depiote


  • Zoma 23 Oktobra 2020

Mitaky ny hanomezana azy ireo ny fiara tsy mataho-dalana 4x4 sy ny hahazoan`izy ireo fisotron-dronono ny solombavambahoakan`i Madagasikara.

 

 

Rariny raha hampidirana ao anatin` ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana lasitra (LFI) taona 2021 izany hoy izy ireo nandritra ny fandinihana ny lahadinika izay ho dinihana eny amin` ny Antenimieram-pirenena. Nilaza ny depiote voafidy tany Antsohihy Remi dit Jao Jean fa “rariny ny fitakiana fiara 4x4 satria ny mpiasam-panjakana ambony rehetra dia manana fiara ampiasaina avokoa. Ny fiaran` ny solombavambahoaka dia ilaina amin` ny fitaterana marary, ampiasain` ny mpitandro filaminana hanenjehana dahalo indraindray”. Nanamafy izany ihany koa ny depiote ny filoham-baomiera misahana ny vola sy ny tetibola eny anivon` ny Antenimieram-pirenena, Doda Andriamiasasoa. Momba ny fisotron-dronono dia rariny ihany koa ny fitakiana satria ny firenena afrikanina sasany dia efa mampihatra izany ary saika sahirana avokoa ireo solombavambahoaka rehefa miala amin`ny toerana maha depiote azy. Namaly momba ny fangatahan` ny solombavambahoaka ny filohan` ny Antenimieram-pirenena, Chrisitine Razanamahasoa, ka hampidirina amin` ity fivoriana ity ny tolon-dalàna mikasika ny fisotron-dronono. Nolanian` ny solombavambahoaka tsy nisy nitsipaka ny lahadinika izay ho dinihana eny amin` ny Antenimieram-pirenena hatramin` ny 18 novambra izao.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT