Hotontosaina anio etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina ny fametrahana an’i Hery Rajaonarimampianina ho filoha voalohan’ny Repoblika faha-4.
Noho io lanonana io dia tapaka avokoa ny lalana mihazo sy manodidina iny Mahamasina iny. Mihidy tsy azon’ny fiara andalovana ny lalana Rabozaka Ankadilalana, ny lalana Mathma Gandhi (Tsimialonjafy Mahamasina) – ny lalana Ramanankirahina (square point carré CEG Antanimbarinandriana) – ny lalana Rakotobe Pascal (rond point Anosy mihazo ny kianja Mahamasina) – ny lalana Rajoelina (misy ny fijanonan’ny taksibe Mahamasina) – ny lalana Andriba (Gerb'or) –ary ny eo amin’ny cité du jardin Mahamasina manomboka amin’ny 7 ora maraina mandrapahatapitry ny lanonana. Ny fiara avy any amin’ny lalana Samuel Stéphanie Amparibe hakany amin’ny lalana Ramanankirahina dia mihazo ny lalana Razafindratandra Ndramazo sy ny lalana Jean Ralaimongo Ambohidahy. Mihodina any amin’ny lalana Andriamanantena Georges Fiadanana Soanierana kosa izay fiara avy any amin’ny lalana Fernand Kassanga Tsarafaritra ka saika ho any Rabozaka Ankadilalana.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.