Politique

Fiangarana manara-penitra Vahoaka mifafa ny kihony, mpitondra miliba…


  • Zoma 22 Jolay 2022

Maro ireo herivelona, fiangonana, firaisamonim-pirenena, antoko politika,… naneho fa tokony hijery ny tena laharam-pahamehana sy tsy handany vola fahatany,

fa tena mba haneho fa mitsinjo vahoaka ny Fanjakana. Tokony hofoanana sy ahena ireo tombotsoa mihoampampana ho an’ny manam-pahefana ambony, tahaka ny taratasin-tsolika maimaimpoana, fanomezana fiara tsy mataho-dàlana, fampihenana na fanafoanana ny « indemnité » midangana, fisitrahana herinaratra maimaimpoana,… ka mba haompana amin’ny fanamaivanana ny fahasahiranam-bahoaka. Hatreto, tsy misy na hivina fihetsika sy fanapahan-kevitra raisin’ny Fanjakana. Ny vahoaka mifafa ny kihony, fa ny mpitondra migalabona. Ohatra iray, ireo lazaina fa solombavambahoaka, mangina tanteraka, azo isaina amin’ny rantsan-tànana no mampaneno lakolosy momba ny olam-bahoaka. Raha ny antontan-kevitra miparitaka tsy mbola nisy fandisoana, mahatratra 35 942 000Ar ny vola raisin’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena : 3 500 000 karama, karaman’ny « assistants parlementaires » miisa miisa 6 izay voalaza fa mandray 900 000Ar isan’olona manome 5 400 000Ar, tahaka io ihany koa ny an’ny mpanolontsaina teknika, 20 000 000Ar ny solika, hofan-trano 800 000Ar, rano sy jiro 150 000Ar,… Ny filoha lefitra 24 100 000Ar, Ny kestora 18 100 000Ar, ny Filohana Kaomisionina 17 200 000Ar,… Ny mpikamban’ny governemanta dia heverina fa mbola ambony noho izany. Tena arakaraka ny fandaniana volam-bahoaka ve ny vokatra ? Mahatratra 375 miliara Ar ny trosa tsy voalohan’ny Fanjakana. Ny « subvention » atao amin’ny Jirama ve izany tsy lany trosan’ny Fanjakana ihany fa tsy misy tombotsoam-bahoaka. Ny solika io midangana io, ny vidin-javatra miakatra hatrany amin’ny 100%,… Na ireo nifidy an-dRajoelina tamin’ny fifidianana aza betsaka no leo sy diso fanantenana satria ny azy « t-shirt nylon » dia adino fa ny mpitondra miteroterona amin’ny tombotsoa sy harem-be.
TSY MBA MAKA LESONA MIHITSY VE ?
Vahiny manan-kaja teto ary nireharehana ny fahatongavan’ny Filoha Rwandais Paul Kagame ny jona 2019 fa inona no lesona mba nalaina taminy? Ohatra iray nataony ny hoe : namidiny ny fiaram-panjakana 4000 tamin’ny 5000 satria mandany volam-panjakana, na izay manam-bola dia mividy ny fiara nampiasainy na mandeha bus. Mametraka fanamby hahavita tena ara-tsakafo izy hatramin’ny 2025 satria tsy levon’ny vavoniny ny hoe : Ukraine izay misy mponina am-polony tapitrisa vitsy no mamatsy an’i Afrika misy mponina 1,4 miliara. Ny antsika mbola hanafatra teleferika, hanafatra « bus » lehibe rehefa tsy voalamina ny taksibe, mifanaraka amin’ny vahiny handraoka ny harena an-dranomasina mora, hanamboatra kianja isaky ny distrika.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT