Politique

Fiandrianam-pirenena “Ny politika no manimba azy”, hoy i Maka Alphonse


  • Alakamisy 20 Jona 2019

“Hankalaza ny fiverenan`ny fahaleovantena isika, ny fiandrianam-pirenena, ny maha firenena ny firenena iray.

Ny maha firenena ny firenena iray dia ny mponina ao aminy. Raha misavoritaka ny mponina ao aminy noho ny tsy filaminana ary tsy manaja fandrianana dia tsy misy maha firenena ny firenena”, hoy i Maka Alphonse, filohan`ny Komitin`ny Fampihavanana Malagasy (CFM). Hohamasifina ny fiandrianam-pirenena sy ny fitiavan-tanindrazana, mba hahafahana manana fampandrosoana sy ny hisian`ny firaisam-pirenena. Amin`izao, manao ny asa ary miasa mametraka ny firaisankinam-pirenena ny CFM saingy ny politika no manimba azy. Ny politika no natao handrindrana ny fiarahamonina kanefa ho antsika dia lasa fifandrafiana.  Notsipihany fa raha tsy misy filaminana ara-tsosialy noho ny tsy fahamarinan-toerana ara-politika dia tsy misy ny asa fampandrosoana. Firenena manana ny fiandrianany isika ka ilaina ny firaisankinan’ny rehetra mba hisian`ny fandriampahalemana mba hahafahana manana fampandrosoana. Ankoatra izay, misy tetikasa Peace Building Fund, izay iarahan`ny CFM sy ny firenena mikambana (ONU) amin’ny fametrahana fandriampahalemana maharitra eto amin’ny firenena. Niantso hatrany ny hisian`ny firaisam-pirenena ny Komitin` ny Fampihavanana Malagasy

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT