Nitondra ny heviny mahakasika ny fiainam-pirenena amin` ny ankapobeny ny filankevitry ny Fampihavanana Malagasy (CFM) tamin` ny alalan` ny filohany omaly.
Miantso ny fampiatoana lonilony eo amin`ny rehetra ho fiatrehana ny valan`aretina ny Filoha Maka Alphonse. “Fahavalo iray no atrehina ary tsy maintsy misy ny mpitari-tafika. Raha tiana ny handresy dia ilaina ny fampiatoana ny lonilony eo amin`ny rehetra. Ny tena fitiavan-tanindrazana dia fahaizana maneho firaisan-kina sy fihavanana ao anatin` ny fahasahiranana. Aoka tsy hifanenjika sy hanao fiantsiana samihafa izay mifanohitra amin`ny soatoavina sy kolontsaina Malagasy.” Manoloana ny fitombon` ny isan` ireo mitondra ny tsimok`aretina indray dia nanamaffy ny CFM fa mila arahina ny toromarika rehetra manoloana ny firongatry ny zava-misy. Mahakasika ireo Nosy manodidina, rariny sy hitsiny raha miverina amin`ny Malagasy ireo nosy efatra aty amin`ny ranomasimbe indiana ka tsy ekena ny hibodoana azy ireo. Mariky ny fiandrianam-pirenena izany amin` izao hakatoky ny fiverenan` ny fahaleovantena ka mila miray feo isika, hoy hatrany ny fanambarana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.