Politique

Fianakaviana Ranjeva Raymond Manao ranolava ny fanamelohana ny setrasetra atao aminy


  • Talata 30 Novambra 2010

Raha tsy misy fiovana amin’ny ora farany dia hotsaraina amin’ity anio ity ny zanakavavin’ny profesora Raymond Ranjeva, Rtoa Riana Ratsisalovanina izay voatazona vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora, noho ny ambara fa faniratsirana mpitandro ny filaminana nandritra ny fisavana ny trano fonenan’izy ireo, mifandraika amin’ilay raharaha BANI.

Ny profesora Ranjeva ihany koa, araka ny vaovao dia mbola hatao fanadihadiana ihany koa amin’ity herinandro ity. Ny fandaharan’asa natolotr’ity farany antsoina hoe «Vonjy aina» moa no iahiahiana ity fianakaviana ity ho mpiray tendro amin’ireo manamboninahitra tao amin’ny BANI. Ho an’ireo mpanao politika sasany dia ambaran’izy ireo fa dia takalon’aina hanatraran’ireo manana ny fahefana ankehitriny no tanjony amin’i Riana Ratsisalovanina.

Momba ilay fandaharan’asa «Vonjy aina» indray dia nohamafisin’ity vondrona mpanao politika ahitana an’i Guy Rivo Randrianarisoa, Naika Eliane, Rolland Jules Etienne, Kamamy Georges, Antso Rabearimanana, Manandafy Mahery Lanto ary Mamy Ranaivoarivony, fa tsy azo afangaro amina fakana fahefana amin-kery fa karazana drafitra maneho ny ‘bon sens’ sy ny fahendrena Malagasy mba ahafahana mivoaka amin’izao krizy izao. Tsy azo inoana koa, hoy ihany ity vondrona ity, fa mpampianatra lalàna, ary filoha lefitra fitsarana ambony iraisam-pirenena izay nandany ny androny sy ny fotoanany tamin’ny fitantanana sy fandravonana olana maro no andeha hanosihosy ireo zavatra efa fantany ka hampanao fanonganam-panjakana amin’ny alalan’ny fitaovam-piadiana. Ny heviny sy ny fanambarany no hanenjehana an-dRaymond Ranjeva, araka ny fanazavana ihany. 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT