Politique

Fianakaviana Ranjeva Mifandimby enjehina ao amin’ny fitsarana


  • Zoma 03 Desambra 2010


Raha vao ny talata lasa teo no nahazo fahafahana rehefa nahazo sazy mihatona iray volana ny zanaka vavin’ny Pr Ranjeva Raymond dia ny tenany indray kosa no hiakatra hotsaraina anio. Hatreto aloha dia noho izy voarohirohy ho tao anatin’ny raharaha BANI no hitsarana azy. Izany hoe fikononkononana hanongam-panjakana saingy amin’ny endriny hafa, raha araka ny fijerin’ny maro azy. Raha ny marina mantsy dia avy amin’ilay drafitra “Vonjy Aina” izay nataon’ity Profesora sady mpitsara iraisam-pirenena ity no tena antony nanenjehana azy.

Ny fanontaniana mipetraka eto dia ny hoe fitsarana ady heloka bevava tsotra ve no hitondrana ny Pr Ranjeva Raymond sa kosa ny fitsarana ambaratonga voalohany ? Eo dia efa hahitana taratra sahady ny fatahoran’ny FAT azy ny ambaratongam-pitsarana hitondrana ny tenany. Ankoatr’izay dia fantatra ihany koa fa efa miverina mandeha indray izao ny fitsarana ilay raharaha fanodinkodinam-bola tany Manakara izay mahakasika an’i Louis Ranjeva, faralahin-dry Profesora. Nofongarin’ny FAT indray ny dosie rehefa an-taonany no tsy heno intsony. Rariny sy hitsiny raha mitohy ny fitsarana saingy ny fotoana izay nifandraika tampoka amin’ny fanenjehana ny zokiny hamoahana ny dosien’ny zandriny no mahatalanjona. Toa mitombina ihany ilay hoe ny anarana Ranjeva mihisy no enjehina amin’izao fotoana… 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT