Politique

Fianakaviamben’ny mpanohitra “Tsy mijanona ny tolona raha tsy tratra ny tanjona”


  • Alarobia 24 Febroary 2021

Fianakaviamben’ny mpanohitra nahitana ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara,

 

 

 ny vondrona Panorama, antoko sy fikambanana politika mpanohitra maro no niray feo tetsy Bel’air omaly namaky bantsilana ny tsy mety rehetra teto amin’ny firenena nanomboka tany amin’ny resaka verin-droa miisa 1.200.000 tamin’ny fifidianana, fampidirana fitaovam-piadiana an-tsokosoko, famonoana ireo gadra tao Farafangana, ny fampiasana tsy ara-drariny ny famatsiam-bola tamin’ny Covid 19 ka hatramin’ny fanitsakitsahana ny demokrasia toy izay niseho ny sabotsy teo. Nanao fanambarana izy ireo fa manomboka izao dia miova ho tolon’ny vahoaka Malagasy ny tatitra nataon’ireo depiote teo amin’ny 13 mey. Lasa tolona sy ady amin’ny jadona sy fanaparam-pahefana. Melohin’izy ireo ny herisetra natao ny sabotsy teo na amin’ny fomba ahoana na ahoana satria tanam-polo no nentin’ny Malagasy teo saingy fitaovam-piadiana mahery vaika sy nampidirina an-tsokosoko no navoaka avy tany. Avoahay, hoy hatrany izy ireo, ireo notazomina satria tsy nisy trano vaky na voadoro na olona naratra teo ka hamonjana na hanagadrana olona. Manao antsoavo ireo namana mpanao politika hafa mbola tsy miaradia amin’izy ireo, ny fikambanana samihafa, ny olompirenena rehetra fa asa iaraha-manana ny fanarenana ny tanindrazana. Miantso fifampidinihina sy fifampiresahana ho fanarenana izany, noho izany, ireto fianakaviamben’ny fanoherana ireto. Tsy mijanona ny tolona raha tsy tratra ny tanjona, hoy ny filoha lefitry ny RMDM, Tsarahame Edouard, dia ny fanarenana ny firenena. Ny olona hiady tsy milaza stratejia mialoha, hoy kosa ny sekretera jeneralin’ny antoko Tiako I Madagasikara, Riana Randriamasinoro, fa ho hitanareo miandalana eo.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT