Nafana ny adihevitra momba ny dosie mahakasika ny Praiminisitra lefitra
tamin’ny tetezamita Atoa Reboza Julien omaly. Mba hisorohana ny resaka valifaty politika, hoy ny depite TIM, dia tsy tokony halefa any amin’ny fitsarana avo (HCJ) ny raharaha. Ny raharaha famarotana ny Villa Elisabeth no vesatra hanenjehana azy. Misy tsara toerana hiteny hoe homboy, fa misy tsara toerana hiteny ihany koa hoe: andrasanay amin’ny “tournant X”, hoy ny depiote Fidèl Razara Pierre. Raha misy sahy miteny fa tsy misy pentina, dia mijoroa. Aoka izay tsy nanota tamintsika no hitora-bato. Raha hiresaka tsy maty manota, raha misy sahy miteny fa tsy nanao na inona na inona dia mijoroa. Izay nitantana tamin’ny tetezamita, izay nitantana tamin’ny fitondrana teo aloha dia tokony handalo avokoa ny dosie, raha ny nambaran’ny depiote Hanitra Razafimanantsoa. Nanampy an’izany ny Filohan’ny Vondrona Parlemantera IRD. Nilaza ny mpitondra tenin’ny kaomisionina dia ny Depioten’i Sambava, fa niasa tamin’ny fieritreretana izahay na misy aza ny tsindritsindry. Nanapa-kevitra ny tsy handefa izany any amin’ny HCJ ny kaomisionina manokana. Nanamafy ny fiarovan-tenany tamin’ny aprily 2019 ny Praiminisitra lefitra teo aloha Reboza Julien, fa efa ilay vaovao nivoaka tany anaty gazety vao gaga sy talanjona fa famarotana ny Villa Elisabeth no nosoniaviny. Nambarany tamin’ny taon-dasa moa, fa dosia 150 hatrany amin’ny 200 no mandalo aminy isan’andro, ka nasisika tao. Na nisy aza ny fangatahana ny fanafahana an’Atoa Reboza Julien, dia solombavambahoaka miisa 54 anefa no tonga nivory omaly, raha 76 no ilaina, ka nanapa-kevitra ny hanemotra io raharaha io sy ireo raharaha hafa ho amin’ny 17 desambra izao ny antenimieram-pirenena.
AHOANA NY MOMBA ILAY TALE JENERALY TEO ALOHA ?
Mety ho afaka izany ny Praiminisitra lefitra teo aloha Reboza Julien fa mbola baraingo ny mikasika ny Tale Jeneralin’ny fananan-tany teo aloha Atoa Rasolomampionona Hasimpirenena izay efa tany am-ponja nanomboka ny aprily 2019 noho io raharaha Villa Elisabeth? Ity farany izay lany depiote na tany am-ponja aza, saingy mbola tsy nanitsaka an’i Tsimbazaza. Mbola baraingo ihany koa ny momba ireo doosie hafa, izay minisitra 10 tamin’ny andron’ny HVM sy iray tamin’ny tetezamita ankoatra ny an’Atoa Reboza Julien.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.