Politique

Fiainan’antoko Hiditra ao amin’ny MDM ny AREMA ?


  • Zoma 21 Janoary 2011

Niaiky Atoa Pierrot Rajaonarivelo fa izy mihitsy no nanala tena tao anatin’ny antoko Arema ary nanolotra ny fitantanana tamin’ny Amiraly.

Marina koa, hoy izy fa ao anatin’ny karazana fahasahiranan-tsaina ireo mpikambana ao amin’ity antoko ity amin’izao fotoana noho ny tsy fisiana mpitarika mazava. Nambarany ihany koa fa tsy mora ny toe-draharaha amin’izao fotoana ka mialoha ny fanapahan-kevitra rehetra horaisina dia tsy maintsy misy aloha ny fihaonany amin’ireo mpitantana ny antoko Arema amin’izao fotoana. Efa nanipy teny ihany anefa izy fa tsy antoko fa vovonana ny Mientana ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara na MDM, ary antoko sy fikambanana politika 100 mahery no efa mivondrona ao, koa tsy olana mihitsy raha toa ka miditra ao ny Arema.

Raha araka ny fandinihan’ny maro azy dia mety ity safidy faharoa ity no metimety kokoa satria ho sarotra ihany ny hoe hiverina hitantana ny Arema sady ho filoha mpitarika ny MDM Atoa Pierrot Rajaonarivelo. Etsy ankilan’izay dia azo antoka fa tsy hanaiky hosongonan’i Tonton Sôla mihitsy ny Amiraly Ratsiraka raha mbola velona sy mahatsiaro saina tsara, ary na misy aza ny famindram-pitantanana ataony momba ny antoko noforoniny dia olon-kafa no omeny izany fa tsy ity mpiara-miasa aminy fahiny izay efa namadika azy ity. Andrasana amin’ity herinandro ity ny fihaonana eo amin’ny filohan’ny MDM sy ireo komity mpiara-mitanana ny Arema ahitana ny loholona teo aloha Vaovao Benjamin sy Atoa Ralaidovy Samuel sy ny maro hafa. 

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT