Tsy nampiova ny vokatra navoakan`ny CENI ireo fitoriana nataon`ireo kandidà solombavambahoaka maro teo anivon`ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC).
Seza 84 ho an`ny IRD no navoakan`ny CENI, 84 ihany koa ny teo anivon`ny HCC ary 80 mahery kely, hoy ny filoha Rajoelina nandritra ny fivahinianany tany Frantsa tamin`ny volana mey lasa teo. Tsy mahagaga izany ary ny Malagasy aza tsy nitaintaina intsony. Ho avy izao ny fanendrena Praiminisitra vaovao saingy tsy misy hiraharaha izany ny vahoaka ka afaka mananaraotra ny fitondrana. Adinon`ny vahoaka ny hoe ho sahin`ny HCC ve no handà ireo fitoriana ? Adinony tanteraka fa vanim-potoana tokony nanehoan`ity fitsarana ity ny fahitsiany omaly. Nisy endrika ratsy nasehon`ireo depiote teo aloha ka hanova famindra ve izy ireto ? Ao anatin`ireo mpanao politika ireo no tsy maintsy mitady ny fankatoavan`ny vahoaka. Araka izany, hisy fitsinjovana ny vahoaka ve ny ao anatin`ireo votoatin-dresaka sa hanao didy jadon`ny maro an`isa ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.