Politique

Fiainam-pirenena Tsy azo ihodivirana ny fikaonandoham-pirenena…


  • Talata 28 Jona 2022

Azo lazaina ho an-dalan’ny tsy azo ihodivirana intsony ny fikaonandoham-pirenena hikaroham-bahaolana manoloana ny tsy fahafehezana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny.

Mafy ny tsindry avy amin’ny fanoherana ny fitondrana mijoro saingy etsy an-daniny dia hita ho miziriziry ihany koa ny filoham-pirenena sy ireo akaiky azy. Mampametra-panontaniana aza hoe tsy efa naman’ny manery an-kolaka ny amin’ny tsy maintsy hanaovana izany ihany koa ve aza ny fianakaviam-be iraisampirenena raha toa ka tsy nisy nahatonga solontena nandritry ny fanokanana ny tombon-kasa ho an’ny lalam-pirenena faha 13 farany teo ? Ny avy eo anivon’ny filankevitry ny fampihavanana malagasy na CFM moa dia io efa manesika efa ho isan’andro io fa ny fifampiresahana ihany no vahaolana manoloana ny toe-draharaha politika ankehitriny. Hitovy amin’ny tamin’ny taona 2018 ve ny sary? Hitsangana ve ilay antsoina hoe governemantan’ny firaisam-pirenena na “gouvernement d’union nationale” ka ho filoham-pirenena am-boninahitra ihany na ilay antsoina hoe “symbolique” ny filoham-pirenena ankehitriny mialohan’ny hahatongavana amin’ny fifidianana manaraka? Mazava ho azy fa fanontaniana tsy maintsy hipetraka koa ny hoe io governemantan’ny firaisam-pirenena io ve no hikarakara ny fifidianana hoavy manaraka rehetra eo? Andrasana ny fivoaran’ny toe-draharaha.
(sary fanehoana)
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT