Politique

Fiainam-pirenena Tsiambaratelo maro lasa niaraka amin’ny Amiraly


  • Talata 30 Martsa 2021

Lavo ny andrarezina, nodimandry ny marainan’ny alahady 28 martsa 2023 tokony ho tamin’ny 6ora maraina teo amin’ny faha-84 taonany ny Amiraly

 Ratsiraka Didier Ignace, Filoham-pirenena Malagasy teo aloha, ary nasitrika etsy amin’ny Fasan’ny Maherifo etsy Andrainarivo omaly 29 martsa. Filoham-pirenena nanamarika sy nanao ny tantaran’i Madagasikara, nitondra ny 1975-1993 sy ny 1996-2002. «L’Amiral rouge » no niantsoan’ny vahiny azy, ary saika niaiky ny faharanitan-tsain’ity manamboninahitra ambony ho an’ny tafika an-dranomasina nianatra tany amin’ny Ecole Navale, Brest Frantsa. Nahafehy fitenim-pirenena maro, toy ny Frantsay, Anglisy Allemand, Russe, Espagnole,… Vao 36 taona ny Amiraly Ratsiraka ny taona 1972, dia efa minisitry ny raharaham-bahiny tao anatin’ny Fitondrana miaramila notarihin’ny Jeneraly Ramanantsoa. Telo taona taorian’izay, rehefa nipoitra ny raharaha Ratsimandrava, izay namoy ny ainy 5 andro monja taorian’ny nandraisany ny fahefana hitondra an’i Madagasikara, dia i Didier Ratsiraka no nitondra an’i Madagasikara.

REVOLISIONINA SOSIALISTA

Nanorina ny Antoko AREMA, lany ho Filoham-pirenena ny taona 1975 taorian’ny fitondrana miaramila, ka nanangana ny Repoblika faharoa, nanomboka teo ny Revolisionina Sosialista voaraikitry ny « Boky Mena ». Nametraka ny rafitra sosialista, nampihatra ny fanovana sy ny fanagasiana ny rafi-pitantanana ary ny fampianarana ho amin'ny fiteny malagasy na ny « Malgachisation », saingy tsy nahomby loatra. Teraka noho izany ny hetsika tamin’ny taona 1991 noho ny fikorontanana ara-toe-karena sy ara-tsosialy nateraky ny tsy fahatomombanana, niafara tamin'ny fiaikeny hiala teo amin'ny fitondrana ny taona 1993 noho ny tolon’ny herivelona, notarihin'ny profesora ZAFY Albert, izay lasa Filoham-pirenena. Nandeha sesin-tany tany Frantsa izy taorian’izay. Telo taona monja taorian’izay anefa ho Filoha tamin’ny fifidianana 1996, ka ny "Politique de l'humanisme écologique" indray no nentiny, rehefa tsy nahomby ny Revolisionina Sosialista. “Ny fahadisoana angamba mety betsaka, ary raha hotanisaina eto ny fahadisoana mety hahavita boky iray. Angamba nisy “mauvaise appréciation de la situation”… Nisy ny hafanam-po be loatra satria ny tena rahateo tanora, ka mety nisy ny dosie tsy voadinika tsara, tsy naharaka ny hazakazaky ny kapiteny ny mpanao baolina sasany, ka izay no nahatonga ny hoe “elephant blanc” ity, tsy tanteraka iry. Izay no mety niteraka fahadisoam-panantenana, ary ny fahavalo ihany koa betsaka vao miteny ianao hoe “Revolution nationale démocratique”. Izaho saro-piaro amin’ny fiandrianam-pirenena, dia mety manohintohina ny sasany, tonga ny fingampingana isaky ny 3 volana, 6 volana avy any ivelany, ka izany rehetra izany dia nampandamoaka ny zavatra mety ho tsara”, hoy ny Amiraly raha nivahiny tao amin’ny Fandaharana “IMASO” tao amin’ny TVM ny taona 1996, izay Itompokolahy Gilbert Raharizatovo no nanasa azy tamin’izany, izy mirahalahy mianaka ireo izay nifanao andro vitsy ny nahalasany. Ny taona 2002 no nandao ny Fitondrana ny Amiraly, rehefa nisy ny krizy politika taorian’ny fifidianana Filoha ny 16 desambra 2001, ka i Marc Ravalomanana no tonga Filoham-pirenena. Efa nifanantona sy nifamela izy mirahalahy mianaka ireo nanomboka tamin’ny fihaonana tany Maputo taorian’ny raharaha 2009 na nisy aza ny tsy fitovian-kevitra ara-politika.

TSIAMBARATELO MARO HANGINA

Nahalala zavatra maro ny Filoha Ratsiraka, ary nisy fotoana nitaky ny hanaovana fifampiresahana eo amin’ny samy Malagasy halefa mivantana amin’ny TVM, saingy lasa ihany izy, ary tsy tanteraka ny fangatahany. Tsiambaratelo maro mety hangiana miaraka aminy, ary mety tsy ho fantatra intsony mihitsy, toy ny raharaha Ratsimandrava, DC3 nidaraboka tany Ampamoizakova. Sibon Guy, Joël Rakotomalala,... isan’ireo namoy ny ainy tao anatin’ny tantaram-pirenena noho ny antony toa nijanona ho mistery sy tsiambaratelo.Ny raharaha Kung fu…. Tena nahalala zavatra ny Amiraly, saingy "mbola te ho velona aho sy ny fianakaviako", hoy izy fahavelony. Mbola raharaha hafa ny 1991, 2002, 2009,… Namela mamy ny Filoha Ratsiraka na mety nisy aza ny lesoka amin’ny maha olombelona, ka hipetraka ho tantaran’i Madagasikara ny asany, ny dian-tànany, ny ezaka nataony.

 

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT