Politique

Fiainam-pirenena Tofoka tanteraka amin'ny Fitondrana ny MMM


  • Talata 19 Aprily 2022

Misoko miadana ny Antoko MMM (Malagasy Miara-Miainga) tarihin'i Hajo Andrianainarivelo, izay tsikaritra ho kofona amin'ny Fitondrana Rajoelina, ary efa tena mampiharihary izany ankehitriny.

Nitsidika ireo mpikambana sy ireo olom-boafidy MMM ao anatin'ny faritra Vatovavy ary ny faritra Fitovinany ity filoha nasionalin'ny Antoko Malagasy Miara Miainga, Atoa Hajo Andrianainarivelo ity ny faran'ny herinandro teo. Nitondra teny fankaherezana manoloana ireo antsonjay sy fanikilihina hatao amin'ireo olom-boafidy sy mpikambana MMM eraky ny disitrika, ny kaominina sy ny fokontany toy ny tany Manakara sy Mananjary ny tenany. Isan'ireo i Jeannot Randriamanana, ilay nitsikera mafy ny tontolon'ny fampianarana, iray nohelohina 2 taona an-tranomaizina, izay voalaza fa mpikamban'ity Antoko ity. Hentitra ny MMM naneho fa tsy azo ekena ny toejava-misy ary ny antoko dia vonona hijoro sy hiaro ireo mpikambana tratran izany tsindry aloka izany. Efa nialohan'ny fanovana governemanta tamin'ny 19 martsa 2022 ny MMM no nampitandrina mafy tsy hanaovana antsojay ny olony, ary tsy nihambahamba nilaza fa samy manana vahoaka. Niala tao anatin'ny governemanta, ary nahilika ny Sekretera Jeneralin'ny Fiadidian'ny Repoblika Atoa Valéry Ramonjavelo avy amin'ny MMM, izay mahalala tsara ny ao anaty vilanin'ny prezidansa. Nalaina ireo olon'ny MMM tao anaty minisitera.
MIOMANA AMIN'NY FIFIDIANANA
Efa tamin'ny 09 jona 2021 mbola tsy nisy lonilony no nanoratantsika teto amin'ny Tia Tanindrazana fa hanahirana an-dRajoelina i Hajo Andrianainarivelo sy Lalatiana Rakotondrazafy amin'ny maha lehiben'antoko azy, tsy maintsy hijery manokana ny antokony ary miomana haka fahefana amin'ny maha Antoko azy. Tombanana hanana olona hifaninana amin-dRajoelina ny MMM amin'ny 2023. Efa miketry manetsika ny olony any ifotony ny MMM, ankoatra ny efa nifaninanany mivantana tamin'ny TGV nandritra ny fifidianana loholona. Manao fifanakalozan-kevitra sy fiaraha-midinika mahakasika ny raharaham-pirenena sy ny ho avin'ny antoko MMM. Mandady ny trambo ho an-dRajoelina sy ny ekipany ary hampitombo ny efa fahalemeny izao sary izao.
Toky R
 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT