Politique

Fiainam-pirenena Nosaronana fampanantenana ireo izay tsy vita


  • Zoma 27 Aogositra 2021

Kabary sy fampanantenana. Izay ihany aloha no vokatra mba hita nisongadina tamin’ny dian’ny Filoha tany Frantsa.

Izay hoe mampiasa vola sy mpandraharaha vahiny ho avy mbola tsy fantatra mazava, satria ny sisin-tany aza mikatona hatreto aloha. Ary raha mbola anaty fahamehana ara-pahasalamana ny firenena dia mifantoka any amin’ny fanampiana faran’izay maika ny azo avy amin’ireo mpiara-miasa. Raha ny hoe mpandraharaha vahiny Frantsay, Belza indray… tsy hanaovana resabe eto fa efa fantatra ihany ny vitan’izy ireo teto hatrizay, tsy dia misy hoe zavatra misongadina be mankaiza. Ireo nokianina lava toa ny tetikasa Ambatovy sy QMM aza no mbola mampiditra vola matevina ao amin’’ny kitapom-bolam-panjakana. Misy ireo mpandraharana velon’ahiahy tamin’ity dian’ny Filoha Rajoelina sy ny delegasionina notarihany any Frantsa ity hoe : hitondra voka-tsoa marina ho an’ny firenena ary azo refesina ao anatin’ny fotoana fohy ve sa resaka ara-diplaomatika nosarontsaroana raharaha politika fotsiny.
RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT