Politique

Fiainam-pirenena Miomana hiverina eo amin’ny fitondrana ny HVM


  • Alatsinainy 13 Desambra 2021

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fameloma-maso na “Redynamisation” ny Antoko HVM, ka taorian’ny faritra maro, dia teto Antananarivo indray no nanaovana izany ny sabotsy 11 desambra teo teny amin’ny foibeny eny Andraharo.

 Ny olona hanentana isaky ny fokontany aloha no nantsoina, tsy natao ho famoriana vahoaka fa karazana “formation des formateurs”. Mitodika sy mandinika ny lasa hoe: inona no lesoka tao anatin’ny antoko ahafahana manarina azy. Tsy naman’ny mihemotra, tsy naman’izay matahotra, mino ary niasa, mitady ny tombotsoan’ny vahoaka,… “Hijery amin’ny fo feno fitiavan-tanindrazana, ka ny ezaka dia ny hiverina ao anatin’ny Fitondrana, hitondra ity firenena ity. Raha tsy manana izay herim-po sy herin-tsaina, ary tsy fahatanjahana sy fahatokisana dia tsy mpanao politika. Rehefa nanao soa dia hovalian’ny olona soa satria mazava izao ny làlana, mazava satria teo ny zava-bita, resy isika kanefa ny olona nandresy antsika no mitondra amin’izao ary izay fomba nandreseny tao mbola hotsarain’ny tantara eo. Izao ny zava-misy, hatramin’ny olona mangetaheta sy milahatra rano rahonana amin’ny mpitandro ny filaminana. Isika tsy mba nanao ohatr’izany, nandamina ny firenena fa tsy mba nivatratra. Demokraty ny HVM, tsy tiantsika ny hiverenana amin’ny krizy ka nandeferana tamin’ny 2018 mba tsy hisian’ny korontana”, hoy i Rivo Rakotovao. Nambarany fa tsy maintsy handresy amin’ny fifidianana satria ny fifidianana dia fitsaran’ny vahoaka ny fomba fitantanana. Matoa mijoro dia manana fanantenana amin’ny tanjona politika hiverina eo amin’ny fitondrana.
“TSY NISY HOTOKANANA FIRY TETO RAHA TSY NANAO IZAHAY”
Ny ezaka nataon’izao fitondrana izao nanomboka ny 2015 dia novoizina fa tsy nahavita na inona na inona ny Fitondrana Rajaonarimampianina, saingy naseho an-tsary ny porofo tsy azo lavina tamin’ireo ambaran’izy ireo fa zava-bita maro be nanerana ny Nosy, izay misy ny notokanan’ny ankehitriny, toy ny “Rocade”, “pipeline”,… Ao ny mbola tsy notokanana toy ny seranam-piaramanidina, gare routière,… raha misy ny mbola mandeha toy ny seranan-tsambon’i Toamasina. “Raha tsy nanao na inona na inona ny Fitondrana Rajaonarimampianina, dia tsy nisy hotokanana firy amin’izao fa fampanantenana fotsiny no natao. Izahay dia manaiky ny fanekena ny fitohizan-draharaha, ary tsy izahay mihitsy no niteny tamin’ny andron’ny HVM hoe: tsy nahavita na inona na inona ny Fitondrana Ravalomanana, tsy nanao na inona na inona ny Fitondrana Ratsiraka,… Fahadisoan-kevitra izany raha mpitondra no manao toy izany satria ny firenena dia mijanona ho firenena miaraka amin’ny olona ao anatiny. Hamafisina izany, mba tsy hitavozavoza ny marina, ka ho resin’ny lainga tsara lahatra”, hoy i Rivo Rakotovao.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT