Politique

Fiainam-pirenena Mbola mitohy ny zarazarao hanjakana !


  • Talata 18 Jona 2019

Ankatoka ny fankalazana ny faha-59 taona nahazoan’ny Malagasy ny fahaleovantena. Mino aho, hoy ny filoha lefitry ny komitin’ny fampihavanana Malagasy,

 

 

 

 Gerard Ramamimampionona fa fahaleovantena amin’ny lafiny rehetra no notakian’ireo raiamandreny nitolona ho antsika. Rehefa jerena amin’ny fiainantsika anefa izany zavatra izany dia tsapa fa tsy mahaleotena isika. Niala tamin’ny fanjanahantany mivantana isika fa mbola miaina fanjanahana an-kolaka ary tsy mahaleotena amin’ny lafiny rehetra. Tsy mbola tafaverina ireo soatoavina nopotehin’ny olona izay nametraka ny maha izy azy antsika toy ny fihavanana. Mbola mitohy foana ny zarazarao hanjakana eo anivon’ny fiarahamonina tao anatin’izay 59 taona izay ary tsy hifanomezan-tsiny io fa miantso ny fahatsapan-tenan’ny rehetra hanao ezaka mba hanana fahadiovana ara-tsaina, ara-pitantanana, ara-batana sy ny hafa. Azo avadika ny tantara, hoy hatrany ny tenany, ary ohatra amin’izany i Rwanda sy Afrika Atsimo. Ny an’ireny moa hita maso be ilay endriky ny ady sy ny tsy fihavanana dia mora naravona fa ny antsika feno ady mangatsiaka maro karazana, hoy hatrany ny fanazavany.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT