Andro fahaefatra amin’ity andiany fahatelo amin’ny hahamehana ara-pahasalamana eto Madagasikara ity isika anio.
Raha ny tsikaritra tao anatin’izay andiany roa voalohany izay ka hatramin’ny omaly aloha dia tsy voafehy ny toe-draharaha eto Madagasikara. Hita ho mitombona tanteraka ireo voambaran’ny maro fa mbola eo ny fitahian’Andriamanitra matoa isika mbola azo lazaina ho hieren-doza amin’ity areti-mandoza COVID 19 ity hatreto. Maro ireo fianakaviana mbola tsy nahazo ny anjara fanampiany teny anivon’ny fokontany. Efa niaraha-nahalala rahateo moa ny olana ara-piarahamonina nisy tamina toerana maro mikasika ny fananganana ilay komity natao hitsinjara izany na ny Loharano. Aiza ilay arotava zaraina hoe tsy atao taran’ny faha 27n’ny volana izao? Tsy ho vita mihitsy vesa tsy misy tompon'andraikitra manam-piniavana hanatontosa ilay hoe fizarana fanampiana hitetezana tokantrano? Nandeha ny fanentanana ny amin’ny tokony hijanonana an-trano saingy toa raha niteny ny filoham-pirenena hoe anaty fihibohana amin’ny ampahany isika dia toa hafa no nandrenesan’ny malagasy maro azy satria dia mbola feno fitangorongoronana ihany teny rehetra teny. Raha niteny indray ny filoha hoe averina tsikelikely amin’ny laoniny ny fiainam-piarahamonina malagasy dia toy ny hoe miverina tanteraka no nandrenesan’ny ankamaroan’ny malagasy azy. Nahakivy ireo izay mba niezaka niaro ny tenany mihitsy ny fahitana fitohanan’ny fifamoivoizana omaly sy ny fitakisinana tanaty fiara fitateram-bahoaka. Mbola tsy voazara tamin’ireo mpianatra hanala fanadinana koa ilay tambavy nolazaina fa tsy maintsy sotroiny, raha ny hita teny amin’ny CEG Avaradoha omaly ohatra, nandritry ny fiverenan’ireo mpianatra mpanala fanadinana an-tsekoly. Tsy hay hoe hanomboka oviana izany izay fizarana matotra ny karazam-panampiana nampanantenaina izay fa ny irariana izany dia ny hoe enga anie mbola hitohy ny fitahian’Andriamanitra!
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.