Nidina ifotony tamina toerana maromaro teto an-drenivohitra i Andry Rajoelina omaly. Niaraka tamina delegasionina maromaro, toy ny minisitry ny fanajariana ny tany Hajo Andrianainarivelo.
Naneho ny fanombohan’ny fanatsarana fotodrafitrasa eto Antananarivo, ka isan’izany “station de pompage” etsy Manarintsoa Isotry mahazaka 2000litatra hisorohana ny tondra-drano. Nambarany fa hohatsaraina ny fotodrafitrasa mahakasika ny fikorian’ny rano eny Mahavoky Besarety, Andravoahangy Ambony, Mahazo, Ambohimanarina, Ankorondrano,… Niara-dalana taminy ireo kandidan’ny IRD mirotsaka amin’ireo boriborintany eto an-drenivohitra toa an’i Jocelyn Andriamanalinarivo, Lanto Rakotomanga, Anyah, Rossy,... Ao anatin’ny herinandro faran’ny fampielezan-kevitra isika izao, ary fanaovana propagandy an-kolaka no azo handikana ny fihetsiky ny filoha. Manan-jo hidina ifotony hijery ny manahirana ny vahoaka izy sy ny mpikamban’ny governemanta, fa ny fisian’ireo kandida depiote miara-dalana aminy kosa dia endrika fiandaniana sy propagandy. Marina fa tsy misy ny filazana mivantana hoe: fidio ny kandidan’ny IRD, saingy azo sokajiana ho fitarihana an-kolaka ny sain’ny olona handrotsa-bato ho azy ireo ny zava-misy. Efa ao anatin’ny olom-panjakana ny filoha, ary voararan’ny lalàna ny fampiasana olom-panjakana na fitaovam-panjakana ampiasaina amin’ny fampielezan-kevitra. Lasa misy adihevitra kidaladala aza ankehitriny hoe: nahoana i Marc Ravalomanana no manao propagandy sy manohana ny kandidany tsy maninona kanefa rehefa ny i Andry Rajoelina dia kianina ? Ny iray filoha fa ny iray sokajiana ho olon-tsotra sy lehiben’antoko politika. Toa tsy zakan’i Andry Rajoelina izany, ka io izy miditra an-tsehatra io. Fihantsiana ady tsotr’izao amin’ny ankolafy politika mandrotsaka depiote na ho an’ireo kandida tsy miankina. Tsy vao izao rahateo ny toy izao, fa efa nisy teny Atsimondrano, Tsiroanomandidy,… Re fa hihazo an’Ambatondrazaka anio izy. Azo atao ve matoa mangina ny CENI sy ny HCC ? Sa efa vita resaka hatramin’ny kajikajy samihafa ? Mampahatsiahy ny 2009 hoe: ny efa zatra tsy mpanara-dalàna na zatra nanongam-panjakana dia tsy hanam-piovana firy fa miseho eny foana ny toetra nahafantarana azy!!!
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.