Mampanahy izao fotoam-pifidianana izao. Ataon`ny vahoaka ahoana ny hiatrika fifidianana milamina amin`ny distrika maro eto nefa manjaka ny tsy fandriampahalemana ? Aiza ho aiza ny tena laharam-pahamehana ho an`ny fitondrana ?
Fantatra fa hiroso any amin`ny fifidianana, amin`ny fametrahana ny Antenimieram-pirenena sy ben`ny tanàna atsy ho atsy, ary hiroso amin’ny fakana ny hevitry ny vahoaka. Ny andrasan`ny vahoaka Malagasy dia ny fanatanterahana ireo fampanantenana sy nandresy lahatra azy ireo matoa mitondra ny fitondrana vaovao. Ny zava-misy anefa tsy mifanandrify loatra amin`izay. Ekena tokoa fa efa-bolana raha oharina amin`ny dimy taona dia tsy hisy zavatra vita vetivety. Raha ny zavatra notenenina tamin`ny vahoaka dia ny hoe “tsy ilàna 100 andro dia efa hita ny vokany”. Tsy ho foana tanteraka ny tsy fandriampahalemana ao anatin`ny efa-bolana fa ilay fomba filazana hoe “hiasa avy hatrany” no nandrasana. Miaina tanteraka ao anatin`ny tebiteby ny vahoaka Malagasy. Isan’andro misy fipoahana endri-panafihana samihafa, misy vaky trano, tetezin`ny jiolahy ny tokantrano… Etsy Ampitatafika, misy kiririoka foana isan`andro. Any ambanivohitra, misy foana ny fanafihana dahalo, voatifitry ny olona, very ny omby, matory any an-tsaha ny mponina... Mahazo fitarainana marobe amin`ny afitsoky ny olon-dratsy ny fitondram-panjakana, ny mpitandro filaminana… Ny nantenaina tao anatin`ilay efa-bolana dia ilay fanombohana an`ilay zavatra tonga dia hita miharihary.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.