Ho sahirana tanteraka ny fitondrana ankehitriny hiatrika sy handamina ny olana marolafy.
Sarotra ny hiatrehana sy hanatanterahana ireo fanamby nampanatenaina. Mihamafy indray ny krizy ara-pahasalamana, izay tsy eto Madagasikara, fa saika maneran-tany. Ny firenen-drehetra, saika mirona bebe kokoa amin’ny fanarenana ara-toekarena, raha toa ka tsy izay ny antsika no napetraka ho laharam-pahamehana, fa toy ny hoe miaina tsy misy krizy izany ny fitondram-panjakana. Miezaka mandresy lahatra vahoaka amina vina sy velirano hatrany aty amin’ny roa taona nitondrana. Sarotra ny hahita loharanom-bola hoenti-manatanteraka azy ireny ao anatin’izao krizy izao. Hanahirana ihany koa ny hitady loharanom-bola, toy efa nisy tao anaty fahamehana hoe: nitobaka ny fanampiana sy ny fampindramam-bola. Ahiana ho tsy tahaka izany intsony no hiseho ao anatin’izao zava-miseho izao satria efa niaraha-nahita ny lesoka goavana nataon’ny fitondrana tamin’ny taon-dasa. Tsikaritra tato aoriana ny fisiana fanampiana sy tohana ara-bola, saingy misy ny ampiantsorohan’ny mpamatsy vola amina sehatra tsy miankina na sampan-draharaha mifandraika aminy. Hafa ny teo aloha hoe: fahamehana ara-pahasalamana no hatrehina, saingy miova làlana ny vola. Efa nisy, ohatra, ny fangatahana tatitra mangarahara nataon’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) momba ny fitantanana ny vola tamin’ny covid-19. Sarotra ny hanatanteraka velirano amin’izao krizy misy izao na ara-politika, toekarena, sosialy, fahasalamana,… Ny fanampiana mikasika ny maha olana, ny lafiny fahasalamana sy sosialy mety hisy ihany, fa ny fampiasam-bola sy tetikasa goavana mahakely finoana, raha tsy hoe miainga amina làlam-bola avo lenta miala amin’ny rafitra mahazatra na “financement parallèle” angaha. Iza no hamone 8 miliara dolara hanaovana làlana sy “autoroute” eo anatrehan’ny toe-javatra mifamahofaho ankehitriny? Inona no mety ho tambiny ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.