Amin` izao dia mitsangana ny fanoherana ka mijoro ireo antoko mpanohitra sy fikambanana mitsangana ao anaty fanoherana. Zava-dehibe ny fahatsapana ny tsy fetezana eto amin`ny firenena ka ilaina ny fahasahiana mijoro.
.
Misy kosa anefa ireo milaza fa mpanohitra saingy manohana fitondrana. Raha eo amin`ny tontolo politika dia n mijoro hanohatra ny zava-misy sy milaza ny zavatra tsy mety na manohana ny fitondrana. Izany dia hahafahan` ny tsirairay avy mandinika ny hoe iza no mety olona mandeha saritsarina mpanohatra manely vaovao eto amin` ny firenena. Mikatsaka tanteraka ny fahazoana ny maro an` isa moa ny fitondram-panjakana mba hahamari-toerana azy. Izany no azo handikàna tsotsotra ny fifidianana loholona izay voafaritra fa tsy manaraka ny lalàna velona. Marihana fa manana ny foto-kevitra hahafahana mandresy lahatra sy hahafahana mahazo fitondrana any aoriana ao ny fanoherana. Araka izany dia tsara no mihaino azy ireo. Raha nihaino ny mpanohitra ny fitndram-panjakana dia mety tsy nanakambara mahakasika ireo raharaha mafàna toy ny CENI, ny “doublon”, ny lalàmpanorenana, .... ny mpanohitra. Ny zava-misy anefa ankehitriny dia gejaina sy hampitahorana ny mpanohitra eto Madagasikara. Ny lalàna 009-2011 mifehy ny satan`ny mpanohitra aza moa dia mbola verenana ho dinihana eny amin` ny Antenimieram-pirenena raha toa ka efa nolaniana tamin` ny taona 2011 ka miandry fampiharana sisa.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.