Raha ny zava-mitranga teny amin`ny fiarahamonina taorian` ny nahitàna sy nampalaza ny tambavy CVO no nivaha tsikelikely ny fitandremana teo amin`ny tsirairay.
Nanambara hatrany filoha Rajoelina fa tsy tokony hampihena ny fitandreman` ny tsirairay ny fanaparitahan` ny fanjakana ny tambavy Covid Organics. Raha toa ka nirongatra be ireo olona marary ny coronavirus ankehitriny. Ny vahoaka ve no mafy loha sa ny mpitarika no tsy hendry? Iza no nilaza tamin'ny vahoaka fa manana fanafody sy fanefitra amin'ity valan'aretina ity isika? Iza no tokony omena tsiny voalohany,amin'ny tsy fanarahana ireo fepetra izay napetraka? Nolazaina fa tsy azo atao ny mifampitakosokosona, kanefa ny filaharana ireo karazana fanomezana sy fanampiana omen'ny fanjakana mampitakosona ireo olona. Mila manova fomba fitantanana ny fitondrana ary mila ho modely fa mijaly ny vahoaka amin’izao fitantanana gaboraraka izao.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.