Politique

Fiadidian’ny Repoblika Nesorina sahady i Soatiana Rajoelisoa


  • Alakamisy 07 Aprily 2022

10 volana monja taorian’ny nanendrena azy ny volana jona 2021, dia nesorina tamin’ny toerany ny Talen’ny seraseran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Soatiana Rajoelisoa.

Tao anatin’ny fotoan-tsarotra no nanendrena azy rehefa voatonontonona tamina raharaha mangotraka ny nodimbiasany, dia Rtoa Rinah Rakotomanga. Ity farany izay nalefa tany an-dafy mihitsy aloha, nomena toerana tany amin’ny Masoivohon’i Madagasikara tany Frantsa. Efa nangatsiatsiaka ny raharaha vao niverina teto, ary mivezivezy matetika. Mampametra-panontana kosa ankehitriny hoe : inona no antony nanesorana an’i Soatiana Rajoelisoa ? Hadisoana tamin’ny asa ve? Tsy fahafaham-pon’ny Filoha ve? Na inona na inona antony, dia toa naman’ny natao sorona tao anaty Fanjakana. Mety nanolo-tena hitondra ny anjara biriky ho an’ny firenena tokoa, saingy mety simban’ny politika tao rehefa nitakosona tao anatin’izao fitondrana izao, kanefa tsy tody hatramin’ny farany. Endriky ny kitsapatsapa sy tsy fahamatorana ary tsy fahamarinan-toeran’ny Fanjakana ihany koa io. Hampisahanina andraikitra hafa toa ny Minisitry ny tontolo iainana teo aloha ve? “Mifarana androany ny andraikitra maha Talen’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Daholobe ahy teto anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika. Fisaorana lehibe no atolotro ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA tamin’ny fiarahanay niasa. Mankasitraka azy ny tenako tamin’ny nisafidianany ahy hisahana io andraikitra io nandritra izay fotoana izay…. Efa fanapahan-kevitro hatry ny ela ny hiasako ho an’i Madagasikara sy hanasoavako ny Mpiray Tanindrazana koa miroso manohy amin’izany ny diako raha sitrapon’Andriamanitra. Manohy manarina, manorina ary mandray andraikitra. Mankahery ny Filoham-pirenena sy ny Fitondram-panjakana am-perinasa amin’ny fanatanterahana ireo VELIRANO sy ireo asa maro fanarenana an’i Madagasikara…”, hoy i Soatiana Rajoelisoa omaly. Hanao izany ny tohiny?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT