Politique

Fiadidian’ny Repoblika Nahilika ny Sekretera Jeneraly


  • Alakamisy 31 Martsa 2022

Nilatsaka omaly ny didim-panjakana manaisotra an’Atoa Valerie Ramonjavelo tsy ho Sekretera Jeneralin’ny Fiadidian’ny Repoblika (SGP) intsony,

taorian’ny nitazonany io andraikitra nandritra ny 3 taona sy roa volana mahery kely teo. Nofoanana nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly alarobia 30 martsa mantsy ny didim-panjakana 21 janoary 2019, ary notendrena hisolo azy avy hatrany Rtoa Pelandroy Esperance Mpitsara sady mpahay lalàna avy any amin’ny faritra Androy. Isan’ireo olona nanana ny toerany tao anatin’ny Fiadidian’ny Repoblika ny SGP teo aloha Atoa Valerie Ramonjavelo. Mahalala zavatra maro, saingy misy antony tsy mety tsy azo hihodivirana matoa nesorina tamin’ny toerany. Isan’ireo anarana efa nalaza fa tsara toerana ho Praiminisitra nandritra ireny resaka fanovana sy fikitihana governemanta tao anatin’izao Fanjakana Rajoelina izao ireny, saingy mbola voatazon’Atoa Ntsay Christian hatrany ny toerana. Somary nihena anefa izay herijika saika hametrahana azy ho Praiminisitra izay rehefa nandeha ilay raharaha « Appolo 21 », izay nilazana fa nisy fikasana hamono ny Filoha Rajoelina. Nisy ny ahiahy tamin’ireo olona tao an-dapa noho iny raharaha iny. Karazan’ny lojika politika ihany koa anefa ny fanesorana an’ity SGP ity izay marihina fa avy amin’ny Antoko MMM (Malagasy Miara-Miainga) tarihin’i Hajo Andrianainarivelo, izay nisintaka nialohan’ny fotoana nandao ny governemanta nialohan’ny fanovana governemanta farany teo. Tsara ny mampahatsiahy, fa nanana minisitra 3 (Fampianarana ambony, fanabeazam-pirenena, fanajariana ny tany sy asa vaventy) ny MMM hatrany am-piandohan’ny Fanjakana Rajoelina, saingy nihena am-pitoerana toy ny fen’antitra, ary nesorina nanara-dia azy ireo ihany koa izany ny SGP. Nesorina omaly ihany koa ny Tale ambony miisa 3 tao amin’ny Minisiteran’ny fanajariana ny tany tany izay notantanin’Atoa Hajo Andrianainarivelo, dia ny Sekretera Jeneraly, Tale ara-bola, Talen’ny serasera, ny « Directeur des systèmes d’informations ». Nahilika izany ireo olon’ny MMM, ary ireo olom-boafidy sisa tena tavela. Efa nilaza i Hajo Andrianainarivelo fa miara-dia amin’ny Fitondrana kanefa tena handeha amin’izany ve ? Hanao ahoana ny ho tohin’ny paipaika ara-politika eto?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT