Tsy mbola miasa akory dia efa voakina mafy ny Filankevitra Fampihavanana Malagasy na FFM noho ny fisian’ny mpikambana sasany izay sady tsy lanin’ny vavonin’ny mpomba ny FAT no tsy atokisan’ny Zanak’i Dada sy ny mpanohitra amin’ny ankapobeny.
Telo mianadahy moa no tena ifatraran’ny rihatra dia ny pastera isany Razafindramanitra Nestor filohan’ny FINONA, ny pastera Ramino Paul, filohan’ny Raiamandreny Mijoro ary ramatoa Randriamampionona Lalao, filohan’ny CNOSC. Marihina fa tsy mbola nivoaka ny didim-panjakana mametraka amin’ny toerana ireo 44 mianadahy mpikambana ao amin’ny FFM. Noho ny tsikera etsy sy eroa dia voatery niseho vahoaka nanazava ny fomba nisafidianana azy ireo ny solontenan’ny Komity mpifantina. Nohazavain’ireto farany fa fepetra telo no notakian’ny lalàna ahafahana mirotsaka ho kandida ka samy nahafeno ireo avokoa izy 44 voafidy. Ireto ireo fepetra ireo : mizaka ny zom-pirenena Malagasy, mihoatra ny 40 taona ary tsy mbola nisazy. Ankoatra ireo nisy ny masontsivana nomena isa izay novolavolain’ny komity mpifantina ka nijerena manokana ny mombamomba ilay kandida, ny traikefany ary ny ary mampiakatra ny naoty nomena azy izany”, hoy Ranesa Rakotonjanahary, anisan’ireo komity mpifantina izay mbola nanampy fa tsy mionona amin’ny resaka politika toy ny fampihavanam-pirenena sy famotsoran-keloka izay mandalo ihany ny asa sahanin’ny FFM fa mbola hiandraikitra koa ny fandaminana ny rafi-piarahamonina sy ny fitsinjarana ara-drariny ny harem-pirenena ao anatin’ny telo taona.
Andraikitra izay ilaina olona manana traikefa, hoy izy. Nilaza kosa i Bera Arisonina izay solontenan’ny komity mpifantina ihany koa fa tsy nisy teritery mihitsy ny asa nosahanin-dry zareo tamin’ny fifantenana satria na ny fianakavian’izy ireo aza tsy nampahafantarina akory ny toerana nisy azy ireo nandritra ny hadimiana. “Nodinihana tsirairay ny antontan-taratasy miisa 759 ary rehefa neken’ny rehetra tanaty adihevitra vao nekena”, araka ny fanazavany hatrany. Manoloana ny resaka mandeha fa mety hosoloin’ny fanjakana ny mpikambana sasany amin’io FFM io dia nanamafy ireo komity mpifantina fa ankatoaviny ny fanoloana ireny olona voakina ireny amin’ny alalan’ny fampakarana ny lisitra fiandry raha toa ka afaka manaporofo ny tsy fahafenoan’izy ireny ny fepetra voafaritry ny lalàna ny fanjakana. “Ireo fepetra araka ny lalàna Malagasy ihany (Malagasy 40 taona no mihoatra sady mbola tsy voasazy) no azon’ny fanjakana arahi-maso fa tsy idirany kosa ireo mason-tsivana hafa”, hoy Ranesa Rakotonjanahary. Nanampy kosa Rakotoarisoa James, Nisan’ny komity mpifantina koa fa tokony hankato izay lisitra atolotry ny firaisamonim-pirenena ny fanjakana tahaka ny natao tamin’ny fametrahana ny Parlemanta.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.