Politique

FFM Mametraka ahiahy ny UNMDH


  • Zoma 05 Oktobra 2012

Efa nanao fanairana ny UNMDH raha tsy mbola nijoro akory ny komity mpifantina ny mpikambana FFM saingy tsy nohenoin-teny.

 Rehefa mivoaka koa ny anaran’ireo 44 mianadahy mpikambana anatin’io rafitra io dia maneho ny ahiahiny koa ity vondron’ny firaisamonim-pirenena miasa eo amin’ny sehatry ny zon’olombelona ity. Mahatsapa ry zareo fa tsy mitovy lanja ny isan’ny lahy sy ny vavy ao amin’io rafitra FFM io. Misy ireo Raiamandreny na Olobe manana ny maha izy azy notsongaina amin’ny faritra sasany fa ao kosa ireo izay nodiana tsy hita tanteraka ankoatra ny fisian’ireo mpikambana izay efa tena reraka be ka mampanahy ny fahasalamany ny andraikitra hankinina aminy.

Eo anatrehan’izany dia mangataka ireo Raiamandreny avy ao amin’ny FFKM tsy hiraviravy tanana ny UNMDH sady mitaky koa ny fandraisan’andraikitra feno avy amin’ny mpitondra fanjakana amin’ny fanatsarana ilay rafitra. Tokony handray ny andraikiny araka ny andininy faha-36 sy 44 ao amin’ny tondrozotra koa ny firaisambe iraisam-pirenena sy ny SADC hijoroan’ny rafitra to teny, tsy mitanila, mandala ny fihavanana ary manana ny maha izy azy.

Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT