Politique

Fety nidirana ny Repoblika IV Nangadihady ny kianja tao Manakara


  • Alakamisy 23 Desambra 2010

“Mbola betsaka lavitra ny mpijery baolim-pokontany raha oharina amin’ny olona tonga tao amin’ny fetibe da fetibe”, hoy ny olona nanontaniana.

«Nangadihady ny kianja», hoy indray ireo mpanao gazety ao an-toerana raha nilaza tamin’ny teny indraim-bava ny fety fankalazana ny fidirana amin’ny Repoblika IV nokarakarain’ny Faritra Vatovavy Fitovinany tao amin’ny kianja monisipaly Manakara. Tsy arakaraky ny fipoapoaky ny dokambarotra ny vokatra. Nangatsiaka ny mponina tao an-tanàna. Leo politika ny olona, hoy ihany ity mpanao gazety iray amin’ny radio tsy miankina ao Manakara, omaly. Tsapa izany tamin’ny fifaninanana hazakazaka am-bisikilety sy hazakazaka an-tongotra nihodidina ny tanànan’i Manakara, nanokafana ny hetsika ny maraina. Zara raha nisy folo ny mpandray anjara tamin’ity taranja farany ity, mbola latsak’izay aza ny teo amin’ny bisikilety.

Niharihary koa io fangatsiahana io, nandritra ny kabary nifandimbiasana tao an-kianja, izay nanomboka tamin’ny misandratra andro tany ho any. Vao nahavita ny kabariny ny filohan’ny delegasiona manokan’ny Kaominina, Sileny Alban, dia niala an-daharana niaraka tamin’ireo mpiara-miasa akaiky aminy, fa hoe mbola hanatanteraka sora-panambadiana. Araka ny fantatra anefa dia mangatsiaka ny fifandraisana eo amin’ingahy PDS sy ny Lehiben’ny Faritra, Rakamisilahy Martial. Amin’ny lafiny iray koa anefa dia tsy te hiara-kibaby ny tsy fahombiazan’ity fetibe da fetibe ity izy ka naleony niala. Fa nibaribary koa ny tsy nahitana ireo zanaky ny Faritra, mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita nandritra ity hetsika ity. Mandeha moa ny feo hoe tsy nahazo fanasana izy ireo. Raha nisy anefa ny firaisankina, ka nandre ny dokambarotra, sy ny tatitra tamin’ireo gazety mpivoaka isan’andro teto an-drenivohitra dia mety ho nidina, ka nanotrona sy nanome voninahitra ity fety fankalazana ny fidirana amin’ny Repoblika IV tany an-tanindrazany ity izy ireny.

Tsy izay anefa no nisy … nangadihady ny kianja. Efa natao moa izy ity, ka dia niezaka izay hahatanteraka ireo fandaharana efa nalahatra ny mpikarakara. Omby roa no novonoina, ho nofonkena mitam-pihavanana tao anatin’ny kinahandro nandraisan’ireo Fokontany 18 ao Manakara sy ny vakodrazana ary ny afomanga ny hariva. Ho an’ny mpanara-maso politika dia midika ho fanaovam-beloma an-dRakamisilahy Martial amin’ny fitanana ny Faritra iny fihetsika nataon’ny mponin’i Manakara omaly iny. Raha ny tapaky ny mpizaika nandritra ny fihaonambem-pirenena nasain’ny FAT nokarakarain’ny Raiamandreny Mijoro, ny 13 ka hatramin’ny 18 septambra 2010, no nampiharina dia efa voasolo avokoa ireo Lehiben’ny Faritra miisa 22 manerana ny Nosy. Ho an’i Vatovavy Fitovinany manokana dia efa am-bolana maro no fantatra fa mitsingilahila ny toeran-dRakamisilahy amin’ny toerany. Izy, izay efa nilaza, fa efa ben’ny tanàna, efa depiote, izao lehiben’ny Faritra ka any amin’ny Faritany indray no kendreny.

Nangonin’i Jean D.
 
Sary : Nangingina ny fetibe da fetibe tao Manakara omaly (sary tahiry)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT