Politique

Fetra Ralambozafimbololona “Tokony hiatrika fitsarana daholo ny rehetra”


  • Alakamisy 26 Novambra 2020

Nitondra ny heviny sy fanazavana momba ny fanemorana ny tatitra tokony nataon`

 

 

ny vaomiera manokana misahana ny fiampangana eo anoloan'ny Fitsarana avo (HCJ) ny solombavambahoaka voafidy tao amin`ny boriborintany fahadimy, Fetra Ralambozafimbololona. Tsy feno ny fepetra hirosohana amin`ny fivoriam-be hanapahana, hoy izy. “Maro loatra ny taratasy. Tsy ampy ny fotoana handinihana izany. Misy ireo olona efa nohenoina saingy mbola tsy ampy. Rehefa feno ny fepetra dia miroso amin` izany” Izay ny fanazavan` ity depiote ity. Mahakasika kosa ny hoe mety ho lasa fitaovana politika ny HCJ dia nambarany fa tokony hiatrika fitsarana daholo ny rehetra satria tsy hoe fitsaran` ny mpandresy akory. “Mety misy mieritreritra izany koa. Raha jerena ireo olona dia toa ireo teo amin`ny fitondrana teo aloha ihany. Ireo ihany ve no handinihana izany? Tokony hiatrika fitsarana daholo ny rehetra fa tsy hoe fitsaran` ny mpandresy akory. Tena fitsaran` ny mpandresy sy ny manana fahefana ve?”. Namafisiny hatrany fa rehefa misy tokony ny hampiakarina hafa dia mila hampiakarina, araka ny fanazavany.

 Legende: , Fetra Ralambozafimbololona, solombavambahoaka voafidy tao amin`ny boriborintany fahadimy.

 Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT