Omaly no niakatra tetsy Anosy indray ry Fetison Rakoto Andrianirina sy ny mpiara-mitolona taminy eo anivon’ny ankolafy telo, tsy iza izany fa i Zafilahy Stanislas, depiote voafidy tao Vavatenina sady mpikambana ao amin’ny birao politikan’ny antoko Tiako I Madagasikara, sy ny Pastera Tsarahame Edouard, avy amin’ny ankolafy Zafy Albert.
Fangatahana fahafahana vonjimaika no antony niakaran’izy ireo tetsy amin’ny tribonaly. Fangatahana izay nolavin’ny mpitsara na dia teo aza ny antso maro nataon’ny mpanao politika ny mba hamotsorana azy ireo vonjimaika mba hahafahany manao fety miaraka amin’ny fianakaviany. Eny fa na hatramin’i Jean-Marc Chataignier, masoivohon’i Lafrantsa, aza nanao izany. Etsy andanin’izany raha ny nambaran’ny fiarovana, izay notarihin’ny Me Razafimanantsoa Hanitra, fa marary ireto olona arovany ireto ary misy ny taratasin’ny dokoteran’ny fonja manamarina izany, ary ao anatin’ny dosien’izy telo lahy ireo. Ary tsy nahavita heloka bevava ireo ka rariny amin’ny maha olona raha eo anivon’ny fianakaviany sy ny ankohonany avy izy ireo no manao krismasy sy fetin’ny faran’ny taona. Nanamafy rahateo ny mpisolovava fa vao nahalala ny fitanana am-ponja ny rainy ny zanaka vavin’i zafilahy dia marary mandraka ankehitriny. Koa efa ampy angamba izay fotoana nitazonana azy ireo am-ponja izay, hoy ihany ny Me Hanitra fa manjary vesatra ho an’ny Fanjakana sy ny havany ny fivezivezena any Ambatolampy. Tsy niandry ela, tsy nisintaka akory ny Fitsarana. Ny fampanoavana no nitsangana sady nanamafy fa ny efa ao anaty dosie ihany ny azy. Teo no ho eo ihany dia nivoaka ny didy fa dia lavina ny fangatahana fahafahana vonjimaika. Kotaba tsy nifandrenesana tao anaty efitrano, vao nandre izay didy, manakiana ny fitsarana, ny sasany namoaka sorabaventy toy ny hoe “Avoahy i Fetison sy ireo gadra politika rehetra”. Latsa-dranomaso ny renin’i Fetison, izay tonga niatrika io fitsarana io tao amin’ny efitra faha-4 ao amin’ny Lapan’ny fitsarana ao Anosy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.