Politique

Fetison, Zafilahy ary pastera Edouard In-5 nafindra fonja


  • Zoma 26 Novambra 2010

Ao Ambatolampy indray izy telo ireo hatry ny omaly. Ny 11 novambra raha tsiahivina no nanomboka fitanana am-ponja vonjimaika ireo mpitarika telo mirahalahy avy amin’ny ankolafy Ravalomanana sy Zafy Albert dia i Fetison Rakoto Andrianirina, Zafilahy Stanislas ary Edouard Tsarahame.

Rehefa avy nivoaka ny fampanoavana Anosy izy ireo dia nalefa avy hatrany teny Antanimora (Analamanga), iny alina iny ihany dia nalefa teny amin’ny fonjan’Ambatolampy (Vakinankaratra). Ny 17 novambra kosa dia nihazo an-tsokosoko ny fonjan’i Fianarantsoa (Matsiatra Ambony), avy eo nalefa indray tany fonjan’i Vatomandry (Atsinanana) ary dia izao naverina ao Ambatolampy izao indray. Raha nisy fitanana am-ponja mandehandeha dia ity an-dry zareo ity. Asa na fifanandrifian-javatra na ahoana fa ho an’i Fetison manokana dia toa vanim-potoana ratsy ho azy ny faramparan’ny taona toy izao, tato anatin’ity fitondrana FAT ity. Herintaona lasa, volana desambra no marimarina kokoa, dia anisan’ireo 25 mianaka tsy navelan’ny FAT hody an-tanindrazana raha avy nivory tany Maputo, ary tavela tao Pretoria, hany ka sesitany tsy fidiny tany, dia izao avezivezy mitety fonja eto an-toerana izao indray.

Ny fiantraikany dia eo ny havizanana ara-batana sy harerahan-tsaina, indrindra indrindra mahazo ireto mpitari-tolona ireto ary tsy izy ireo ihany fa ireo fianakaviany ihany koa, raha ny fanazavan’ny mpisolovava, Razafimanantsoa Hanitra. Araka ny taratasy firaketana ny fiainany any am-ponja, nosoratan’i Fetison Rakoto Andrianirina dia in-5 nafindra toerana izy ireo tao anatin’ny 14 andro nitazonana azy ireo izay. “Niteraka faharerahana ara-batana, ary indrindra ny fanakisahana ny fitsarana azy ireo ho any amin’ny 25 janoary 2011. Fanahiniana natao ary efa voakendry ihany izany, politika hanalavana ny fotoam-pihazonana”, hoy ihany izy ao anatin’ilay taratasy. Amin’ny alina hatrany moa no namindrana azy ireo, famindrana toerana izay voalaza fa noho ny antony fandriampahalemana ka izay no tsy nampahalalana ireo fianakaviana ny antony sy ny toerana namindrana azy ireo, raha ny fanazavan’ny Tale jeneralin’ny Fandraharahana ny Fonja, ny jeneraly Ranaivo Andriamaroahiana. Tamin’ny 2 ora maraina no nanainga tany Vatomandry izy telo mirahalahy ny alarobia hifoha zoma, ary dia tonga teny Ambatolampy omaly tamin’ny 11 ora maraina. Na dia tsy maratra ara-batana aza izy telo lahy dia tratry ny tebiteby manoloana ny zava-misy.

Tamin’ny famindrana toerana azy ireo avy any Vatomandry hihazo an’Antananarivo koa, ohatra, dia tsy nisakafo izy ireo nandritry ny tontolo andro. Araka ny feo re dia niharan’ny lozam-pifamoivoizana ny fiara saika hitondra azy ireo avy any, 12 km tsy hidirana an’i Vatomandry. Naratra mafy ireo tao anatin’ny fiara, araka ny vaovao ihany ka dia nalefa any amin’ny hopitalin’i Vatomandry ihany. Araka ny fanazavan’ny mpisolovava azy ireo, Maître Hanitra Razafimanantsoa dia dingana manaraka ny fangatahana handrosoana ny fotoam-pitsarana ireo olona arovany mialoha ny fialantsasatry ny fitsarana. Eo koa ny fangatahana fahafahana vonjimaika ho azy ireo. Omaly moa dia afaka nijery azy ireo tao Ambatolampy ny mpisolovava azy ireo, ireo Havana sy tapak’izy ireo. Ny nanaitra dia tsy miharatra volombava no nahitana an-dry Fetison sy Zafilahy, sa hamantarana azy ireo fa migadra ? Ny fanontaniana moa hatreto dia hoe : hijanona ao Ambatolampy ve izy ireo sa mbola hafindra toerana indray ?

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT