Politique

Fetison, Zafilahy ary Pastera Edouard Giazan’ny FAT any am-ponja


  • Alakamisy 02 Desambra 2010

Niakatra fitsarana omaly ireo mpitarika isany ao amin’ny Ankolafy Telo, Fetison Rakoto Andrianirina, lehiben’ny delegasiona Ravalomanana teo aloha sy ny solombavambahoaka teo aloha Zafilahy Stanislas ary ny Pastora Edourad, ity farany izay avy amin’ny ankolafy Zafy.

Tsy mbola ny anton’ady anefa no nitsarana azy ireo fa ny fangatahana fahafahana vonjimaika napetraky ny mpisolovava. Noho ny antony ara-pahasalamana sy ny fiheverana ny maha olombelona no antony nangatahan’ny Me Hanitra Razafimanantsoa, mpisolovava azy ireo, io fahafahana vonjimaika io. Raha ny fanazavan’ny mpisolovava tokoa mantsy dia reraka tanteraka izy telo mirahalahy noho ny famindrana fonja matetika natao azy amin’ny andro alina. “Voan’ny tazo sy ny gripa mihitsy aza ny pastera Edouard” raha ny nambaran’ny mpiaro ireo voapanga hatrany. Nolavin’ny Fitsarana anefa ilay fangatahana fahafahana vonjimaika ka naverina any amin’ny fonjan’Ambatolampy izy ireo.

Tsy kivy anefa ny mpisolovava izay nanambara fa mbola hametraka fangatahana vaovao indray. Ankoatra ireo mpanao politika avy amin’ny Ankolafy Telo toa an’i Lalatiana Ravololomanana, ny solombavambahoaka Rasolonjatovo dia vahoaka maro no tonga teny Anosy nankahery azy telo mirahalahy. Endrika mirana rahateo no nasehon’izy ireo ny mpiara-mitolona. Raha tsiavihina dia amin’ny 25 janoary 2011 vao handalo eo anivon’ny fitsarana ny raharaha anenjehana ireto mpitari-tolona ireto ka ny famoriana olona tsy nahazoana alalalana, ny fanimbana fananam-bahoaka ary ny tsy fanekena ny baikon’ny mpitandro ny filaminana no vesatra iampangana azy ireo. 

Sary : Teny amin’ny Lapan’ny Fitsarana Anosy omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT